Skip to main content

Torolalana

Mombamomba ny USAID

Ny United States Agency for International Development (USAID) dia mino fa mba hanatratrarana ny tolotra ara- pahasalamana ho an'ny daholobe (Couverture Maladie Universelle na CSU) dia ilaina ny fitsaboana mahomby (HPHC) (PDF, 595 KB) indrindra any amin'ny firenena ambany na antonony fidiram-bola.

Ireto avy ny anjara asan'ity fitaovana ity amin'ny fanamafisana ny rafi-pitsaboana:

  • Manampy amin'ny fahatakarana ny atao hoe tolotra ara- pahasalamana ho an'ny daholobe (CSU). Tsy miompana amin'ny fampitomboana ny isan'ny olona mahazo fitsaboana na amin'ny fampihenana ny sakana ara-bola mba tsy hampahantra ny olona fotsiny izy io, fa miditra amin'ny resaka soatoavina ara-tsosialy ihany koa.
  • Manome sary enti-manazava ny rafi-pitsaboana amin'ny ankapobeny.
  • Mandray anjara amin'ny fandinihana ny fahaiza-manaon'ny rafi-pitsaboana, ka mijery ny fiasan'ny dingana rehetra arahina ao anatin'ny rafi-pitsaboana mba hanatsarana ny fahaiza-manao.

Tokana ny HPHC

Asongadin'ny rafitra fitsaboana mahomby (HPHC) fa tsy azo lazaina hoe mahomby ny fitsaboana raha tsy mandray andraikitra, takatry ny fahefa-mividy, mora azo/mora aleha, ary azo itokisana (AAAR), ary hita ireo fepetra rehetra ireo eo anivon'ny fiaraha-monina ho an'ny olona rehetra mila fitsaboana, indrindra fa ireo anatin'ny toe-javatra sarotra. Misy dingana maromaro ao anatin'ny tsirairay amin'ireo fepetra ireo, ary izany dingana izany dia mamaha ny sakana tsy hahazoana fitsaboana eo anivon'ny fiaraha-monina, tafiditra amin'izany ny resaka toerana, vola, kolotsaina ary rafi-pitsaboana. Ohatra amin'izany ny hoe mandray andraikitra sy azo itokisana ny fitsaboana satria ny rafi-pitsaboana no tompony sady mpandamina ny fitsaboana ary tsy vitan'izay fa andraikiny ny manao izay hahazoan'ny olona ny fitsaboana ilainy amin'ny sarany takatry ny fahefa-mividiny fa tsy midangana loatra. Ekena ao anatin'ny rafitra fitsaboana mahomby fa roa ny andraikitry ny rafi-pitsaboana dia ny manome fitsaboana sy manao izay itadiavan'ny olona fitsaboana. Eken'ny rafitra koa fa mandray anjara be amin'ny rafi-pitsaboana ny fiaraha-monina satria avy ao ny mpanjifa, ny mpisolovava, ary ny mpiandraikitra, mba hahazoana antoka fa voasahana daholo ny fitsaboana ilain'ny fiaraha-monina. Mba hanatratrarana an'izany, dia eo ireo dingana arahina ka mahatonga ny rafi-pitsaboana handray andraikitra, ho takatry ny fahefa-mividy, ho mora azo/mora aleha, ary ho azo itokisana, ary mahatonga ny rafi-pitsaboana hahatratra ny fitsaboana ho an'ny rehetra ihany koa.

Zavatra hafa

Manamafy ny rafitra fitsaboana avo lenta fa azo atao tsara ny mahafeno ny fepetra ary mandinika ny famenoana an'izany izy io amin'ny alalan'ity fitaovana manatratra fitsaboana avo lenta ity. Hanampy ny rafi-pitsaboana izany amin'ny:

  • Fijerena ny dingana arahina mba hanatratrarana ny tanjona fitsaboana avo lenta sy ny ambaratonga rehetra hantanterahana an'izany;
  • Fametrahana ny fanaraha-maso ny fiovana ao anatin'ny rafi-pitsaboana;
  • Fanentanana ny fiaraha-monina, ka hasongadina amin'izany ny hoe hahazo vokatra tsara kokoa amin'ny fahasalamana ny rehetra raha miara-miasa sy samy mandray andraikitra;
  • Famoronana fahafahana hihatsara hatrany;
  • Fijerena raha tena ahazoana voka-tsoa eo amin'ny rafi-pitsaboana ny hevitra momba ny AAAR sy ny zavatra atao mba hanatratrarana an'izany;
  • Fanomezana sehatra malalaka hanavaozana ny famolavolana, fitantanana, fanaraha-maso, fanombanana ary fitadiavana hevitra hanamafisana ny rafi-pitsaboana, sy handraisana anjara amin'ny fanitarana ny fahalalana.

Fitaovan'ny rafitra fitsaboana avo lenta

Azo jerena ato. Ilay fitaovana feno. Mariho azafady fa izay fikambanana rehetra liana amin'ny fampiasana ity fitaovana ity dia mila misoratra anarana aloha mba hahazo an'ilay rohy tokana omena ny mpandray anjara.

Azo itokisana sady ara-dalàna ny fitaovan'ny rafitra fitsaboana avo lenta

Efa nohamarinina tsara sy nanaovana fanandramana lehibe ny fitaovan'ny rafitra fitsaboana avo lenta mba hahazoana antoka hoe mety sady mahomby ny vahaolana omen'izy io.

  • Neken'ny manam-pahaizana momba ny rafi-pitsaboana miasa any amin'ny firenena ambany na antonony fidiram-bola hoe mety tsara sady mitombina ilay fitaovana.
  • Nandalo fanandramana tamin'ny mpamaly miisa 213 ity fitaovana ity, ka voamarina fa mifanaraka tsara ny zavatra rehetra resahina ato anatiny ary ara-dalàna ny fomba ampiasainy hanangonana rakitra. Voamarina tamin'ilay fanandramana koa fa mifanaraka tsara amin'ny vokatra azo tamin'ny alalan'ny fomba hafa ny vokatra azo tamin'ilay fitaovana.
  • Ny fampiasana ny fomba fijerin'ny olona no fomba tena nampiasaina mba hanangonana rakitra, araka ny ambara ato amin'ny fitaovana, ary ampiasaina koa izy io amin'ny fanangonan-drakitra hafa, anisan'izany ny ampiasaina eo amin'ny sehatry ny fitantanana. Jeren'ny fitaovana izay mety ho fitsarana an-tendrony ka tsy lazaina ny anaran'ny mpamaly ary omena toromarika izy ireo mba hilaza ny marina; omena koa ny mombamomba ny mpamaly mba hanamarinana sy hanaraha-maso an'izay mety ho fitsarana an-tendrony mandritra ny fandinihana.

Fomba fampiasana ny fitaovana

Fitaovana ao amin'ny Internet ny rafitra fitsaboana avo lenta, ary azo zaraina amin'ny olona maro any amin'ny toerana samihafa. Manome fanehoana sy mamaha ny olana eo amin'ny saran'ny fanangonan-drakitra sy ny hatetik'izany ilay fitaovana, ka manamora ny fanaraha-maso ny fandrosoana amin'ny sarany ambany.

Betsaka ny fomba azo ampiasana ny rafitra, anisan'izany ny fampiasana santionany arakaraka ny toerana misy azy (échantillonnage de commodité) na amin'ny alalan'ny mety (échantillonnage probabiliste). Azo antoka ny angon-drakitra azo amin'ny alalan'ny fampiasana ny échantillonnage de commodité, na ny teknika Delphi, indrindra raha voaray ao anaty santionany daholo izay mety ho mpandray anjara rehetra (jereo ny Fanazavana Fanampiny B raha te hahazo tsipiriany). Azo ampiasaina amin'ny fanadihadiana mampiasa échantillonnage probabiliste koa ilay fitaovana, ohatra hoe ny fampiasana santionana fiantohana kalitao voatsinjara amin'ny antoko kely (échantillonnage d'assurance qualité des lots de petite taille na LQAS) mba hanombanana ny fahombiazan'ny rafitra fitsaboana avo lenta (Jereo ny Fanazavana Fanampiny D raha te hahazo tsipiriany). Azo ampiasaina koa ny LQAS mba hijerena raha mahafeno ny fepetra napetraky ny rafitra fitsaboana avo lenta momba ny fahaiza-manao ny firenena/faritra/distrika.

Fiteny

Misy amin'ny teny Anglisy, Frantsay, Espaniola, Malagasy ary Portiogey ny tranonkalan'ny HPHC. Raha te hanova fiteny, dia fidio ny Anglisy, Frantsay, Espaniola, Malagasy ary Portiogey eo amin'ny farany ambony havanana amin'ny efijery ao amin'ny tranonkala.

Image
Fiteny

Fepetra takina amin'izay te hampiasa ny fitaovana

Ity fitaovana ity dia afakaampiasain’ny fikambanana rehetra (na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana iraisam-pirenena, mpanome fanampiana, sns...) ka manaja ireto fepetra manaraka ireto:

  • Satria azon'ny rehetra jerena ny angon-drakitra, dia tianay raha azo itokisana izany sady ara-dalàna mba hanaovana tatitra, hampitahaina ary hampiasaina. Noho izany, dia tokony ho fikambanana azo itokisana ny fikambanana mampiasa ny fitaovan'ny HPHC, ary manaraka tsara ny dingana rehetra momba ny fanangonan-drakitra sy ny fiarovana ny tsiambaratelon'ny mpamaly. Tsy hatahorana hiparitaka koa ny angon-drakitry HPHC amin'izay.
  • Tokony ho efa voasoratra anarana ao amin'ny tranonkalan'ny HPHC hoe hampiasa ny fitaovana ilay fikambanana mpangataka. Hanamora ny fahazoan'ilay fikambanana mpangataka ny mombamomba ny mpamaly izany, raha ilaina.
  • Ny fikambanana mangataka dia tsy maintsy vonona ny hizara ny angona voaangona ao amin'ny sehatra ho an'ny daholobe amin'ny endrika famintinana mba hiarovana ny tsiambaratelon'ireo mpamaly.
  • Tsy maintsy manaraka ny toromarika momba ny fanangonan-drakitra ilay fikambanana mpangataka. Tsy maintsy lazain'ilay fikambanana raha hampiasa ny santionany arakaraka ny toerana izy na hampiasa ny santionany amin'ny alalan'ny kisendrasendra. Omena toromarika momba an'izay fomba mety indrindra mba hamaliana fanontaniana manokana ny mpangataka (jereo ny Fisoratana anarana eo ambany). Hanamora ny fanazavana ny angon-drakitra voaray koa izany.
  • Manaraka ny hoe "manangona rakitra mba hampiasaina" ilay fitaovana. Noho izany, dia takina ny ilazan'ilay fikambanana hoe ahoana no hampiasany ny rakitra voangony.

Raha manaiky hanaraka ny fepetra ilay fikambanana mpangataka, dia tokony hamorona kaonty izy ho fisoratana anarana, araka ny aseho eo ambany.

Fisoratana anarana

Dingana 1

Izay fikambanana mahafeno an'ireo fepetra teo ambony dia tokony hamorona kaonty ho fisoratana anarana, ka hameno an'ity fangatahana ity..

Dingana 2

Rehefa voaray ilay fangatahana, dia hohamarin'ny CHISU raha azo itokisana ilay fikambanana mpangataka. Hampidirin'ny CHISU ao amin'ny bangy angona avy eo ilay fikambanana ary hamoronany sy handefasany rohy tokana mankany amin'ilay fitaovana izay midika ho fanatanterahana an'ilay fitaovana: raha atao amin'ny teny hafa dia iny rohy iny no mampiseho fa misy fikambanana iray nangataka hampiasa ny fitaovan'ny HPHC any amin'ny firenena iray ary nanatanteraka fomba fiasa iray izy (raha te hampiasa an'ilay fitaovana amin'ny fomba hafa ilay fikambanana dia hamoronan'ny CHISU rohy hafa araka izay ilainy izy). ny fidirana ao amin'io rohy tokana io dia hampifandraisina amin'ny banky angona mahakasika ny fanatanterahana avy hatrany amin'ny alalan'ny fandraisana ny mahakasika ny mpanatanteraka Mety hihoatra ny iray ny fikambanana mampiasa an'ilay fitaovana, any amin'ny firenena sasany. Ny famantarana ny mpanatanteraka no hanavahana ny fikambanana isan-karazany any amin'ireny firenena ireny. Hanampy ny CHISU handika ny angon-drakitra avy ao amin'ny banky angona sy hizara an'izany amin'ny fikambanana mpangataka ny famantarana ny mpanatanteraka.

Fanambarana ny firenena: Hampiasaina ny famantarana tokana ny firenena mba hanambarana ny angon-drakitra avy amin'ny fikambanana samy hafa ao amin'ny firenena iray raha mitovy ny fampiasana santionany (échantillonnage) nampiasan'izy ireo. Jereo ny Tabilao 1.

Dingana 3

Hozarain'ilay fikambanana mpangataka amin'ny mpamaly voatendriny ny rohin'ilay fitaovana mba hahafahan'izy ireo miditra sy mameno an'ilay taratasy tokony hofenoiny. Fanamarihana: Ampirisihinay ny fikambanana mpangataka mba hanamboatra planina maty paika momba ny dingana arahiny amin'ny fifidianana ny karazana fikambanana sy ny mpiasa izay hasainy mameno an'ilay fitaovana. Hasaina manome daty fanombohana sy famaranana ho an'ilay fanadihadiana na ny fampiasana an'ilay fitaovana koa ilay fikambanana mpangataka, ary hilaza an'izany amin'ny CHISU. Hanampy amin'ny fanaraha-maso ny fiovana eo amin'ny resaka fotoana izany, rehefa mampiasa imbetsaka an'ilay fitaovana ilay fikambanana. Ankoatra an'izany, dia tokony hanapa-kevitra koa ilay fikambanana hoe rahoviana no handefa fampahatsiahivana any amin'ny mpamaly voatendriny.

Dingana 4

Hipoitra ny angon-drakitra arakaraka ny hamenoan'ny mpandray anjara an'ilay fitaovana.

Fampiasana ny fitaovan'ny HPHC sy Fijerena ny kalitao

Misy amin'ny fiteny lima ny fitaovan'ny HPHC – Anglisy, Frantsay, Espaniola, Malagasy na Portiogey. Na izany aza, mitovy ny angon-drakitra amin'ny fiteny rehetra.

Dingana 1

Vakio ilay fanekena ary fenoy ilay izy mba ho anisan'ilay fanadihadiana ianao.

Dingana 2

Mandeha amin'ny alalan'ny famantarana tokan'ny firenena sy ny fikambanana ilay rohin'ny fitaovana omena. Hiforona ny famantarana ny mpamaly rehefa mameno an'ilay fitaovana izy.

Fomba telo no anekena ny kalitaon'ny angon-drakitra ho ara-dalàna. Voalohany, eo anelanelan'ny 0 sy 3 ny naoty ankapobe. Faharoa, safidy mifanitsy amin'ny naoty eo anelanelan'ny 0-3 ihany no azon'ny mpamaly ampidirina. Araka izany, dia tsy misy safidy afa-tsy 0,1,2,3 manome antoka ny kalitaon'ny fampidirana angon-drakitra Fahatelo, mba hanalavirana ny fanazavana tsy ampy (tabilao tsy feno) izay mety hiteraka olana amin'ny fandinihana hatao, dia tsy afaka mandefa an'ilay taratasy fenoina ny mpamaly raha tsy feno daholo ny fanazavana angatahina aminy.

Banky angon'ny HPHC

Ny banky angon'ny HPHC dia misy tsanganana mampiseho ny fanontaniana/zavatra miovaova sy tsipika mitsivalana mampiseho ny mpamaly, mitovy amin'ny Tabilao 1:

Tabilao 1: Fandaminana angon-drakitra
Famantarana tokan'ny fikambanana (foronin'ny tranonkala)Famantarana tokan'ny firenena (foronin'ny tranonkala)Nimeraon'ny mpamaly (foronin'ny tranonkala)Firenena, socio-démographique
Q1-7
Fanontaniana momba ny fitaovana
Q8-127
Fanontaniana hafa
Q128-
1FIRENENA11   
1FIRENENA12   
2FIRENENA13   
2FIRENENA14   
2FIRENENA15   
3FIRENENA16   
4FIRENENA17   

Mifandray amin'ny banky angona ny fanontaniana rehetra mba ho tafiditra ho azy ao ny valin'izany. Midika izany fa rehefa mampiditra valiny ny mpamaly, dia tonga dia mankany amin'ny faritra voatokana ho amin'izany eo amin'ilay fanontaniana any amin'ny banky angona izany.

Araka ny hita eo amin'ny Tabilao 1, dia manamora ny hamantarana ny mpamaly any amin'ny fikambanana mpangataka manokana iray ny famantarana tokana. Araka izany, dia ilay angon-drakitra ilaina ihany no halaina avy any amin'ny banky angona sy zaraina amin'ny fikambanana mpangataka.

Fandinihana ataon'ny HPHC sy Fijerena

Fandinihana ny fenitra

Misy sehatra AAAR efatra ao amin'ny fitaovan'ny HPHC. Noho izany, dia miompana amin'ireo sehatra ireo sy amin'ny zana-tsehatra ao aminy ny fandinihana ny fenitra. Mampiseho isa ankapobe ny fandinihana.

Misy zana-tsehatra 5-7 ao anatin'ny sehatra AAAR. Manomboka amin'ny litera telo voalohany amin'ny sehatra misy azy ny anaran'ireo zana-tsehatra ireo, ary arahina tarehimarika. Ny zana-pizarana voalohany ao amin'ny Fizarana Mandray andraikitra, ohatra, dia mitondra ny anarana hoe mandrayandraikitra_1 (jereo ny Fanazavana Fanampiny A) ary ny zana-pizarana manaraka azy dia mandrayandraikitra_2, mandrayandraikitra_3, mandrayandraikitra_4, mandrayandraikitra_5, and mandrayandraikitra_6. Izay ihany no arahina amin'ny anaran'ny zana-pizarana ao amin'ny Mora azo/Mora aleha, Takatry ny fahefa-mividy ary Azo itokisana.

Kajy: Misy fanondroana dimy isaky ny zana-tsehatra. Araka izany, ny isa azon'ny fanondroana rehetra dia atambatra sy zaraina amin'izay isa farany ambony ary ampitomboina 100 mba hahazoana ny isa isan-jaton'ilay zana-tsehatra.

Ohatra:

Image
Breaks down the calculation of an indicator

Mariho, azafady, fa misy fanondroana sasany latsaky ny aotra. Noho izany, rehefa hanao kajy dia avadika ny isan'izy ireo mba hahazoana ny isan'ny zana-tsehatra sy ny isa ankapoben'ny sehatra. Ohatra:

Image
Reverse indicator example

Noho izany, dia mila avadika toy izao manaraka izao ny isa alohan'ny hijakiana ny isa isan-jaton'ny zana-tsehatra:

Takatry ny fahefa-mividy 1 = ((takatrynyfahefa-mividy_1__1 + takatrynyfahefa-mividy_1__2 + takatrynyfahefa-mividy_1__3 + (3 - takatrynyfahefa-mividy_1__4) + (3 - takatrynyfahefa-mividy_1__5)) / 15) * 100

Jereo ao amin'ny Fanazavana Fanampiny A, azafady, ny raikipohy fikajiana ny isa isan-jaton'ny sehatra sy ny zana-tsehatra

Ankapobe

Rehefa avy manindry ny "firenena" ianao, dia angatahina ianao mba hifidy ny Fanatanterahana izay mampiseho ny fikambanana mpangataka sy ny fomba fiasa nofidiny. Mety hisy fikambanana mihoatra ny iray efa nampiasa an'ilay fitaovana ao amin'ny firenena iray. Noho izany, dia azon'ny fikambanana mpangataka atao ny manasaraka ny angon-drakitra. Araka izany, dia afaka mifidy fikambanana iray ianao na mifidy ny fikambanana rehetra. Tsindrio ny Hampihatra raha hijery ny angon-drakitra efa nojerena.

Image
Sivana ankapobeny mg

Asehon'ny sary voalohany ny isa ankapobe HPHC mamaritra ny fahombiazana sy ny isan'ny sehatra AAAR nampiasana compteur de vitesse. Eo anelanelan'ny 0 sy 100 ny isa isan-jato ary mampiseho ny fihetsehana avy any ambany mankany ambony kokoa. Araka izany, ny isa ambony kokoa dia mampiseho fahaiza-manao amin'ny ambaratonga amboony kokoa.

Image
Pikantsary amin'ny pejy Total Scores, izay mampiseho tabilao fandrefesana dimy misy angona demo.

Eo amin'ilay hoe "Safidy hafa" dia misy sivana efatra natao hanasarahana ny angon-drakitra ao amin'ny sehatra AAAR; Karazana fikambanana, Fanabeazana, Fananahana, ary Taona niasana.

Image
Pikantsary safidy mandroso

Rehefa avy manindry ny "Firenena" ianao, dia asaina manao "Fanatanterahana." Mety hisy fikambanana mihoatra ny iray efa nampiasa an'ilay fitaovana ao amin'ny firenena iray. Noho izany, dia azon'ny fikambanana mpangataka atao ny manasaraka ny angon-drakitra. Afaka mifidy fikambanana iray ianao na mifidy ny fikambanana rehetra.

Image
Mangataka pikantsary momba ny fandaminana

Fidio ny karazana fikambanan'ny mpamaly. Hanasivana ny isa HPHC arakaraka ny karazana fikambanana izany. Tena zava-dehibe io sokajy io ary ampirisihina rehefa mampitaha ny valiny avy amin'ny mpandray anjara avy amin'ny karazana fikambanana samihafa - tsy miankina, am-panjakana, ONG/OSC/loham-piarahamonina sy fikambanana iraisam-pirenena. Raha mifanakaiky na ao anatin'ny 10 isan-jato ny isa nosarahina isaky ny karazana fikambanana, dia azo atao ny manatsoaka hevitra fa tena azo antoka sady ara-dalàna ny angon-drakitra voaray. Midika koa izany fa mitovy ny fomba fijerin'ny olona avy amin'ny karazana fikambanana salihafa, ary misy ny marimaritra iraisana. Raha misy tsy fitoviana goavana kosa anefa, dia mampiseho izany fa samy hafa ny valiny nomen'ny olona avy amin'ny karazana fikambanana samihafa, ary mila dinihina amim-pitandremana ny angon-drakitra voaray.

Fidio ny sivana fananahana ary diniho raha miova ny isa arakaraka ny fananahana. Toy ny teo ihany, raha betsaka ny isa mitovy dia midika izany fa azo antoka kokoa ny angon-drakitra voaray.

Image
Pikantsary momba ny lahy sy ny vavy

Fidio ny sivana taona niasana sy fanabeazana mba hijerena raha miova ny isa AAAR.

Image
Pikantsary taonan'ny asa
Image
Pikantsary momba ny fanabeazana

 

Mariho fa ny fampitahana ny angon-drakitra isaky ny fikambanan'ny mpamaly, na ny fanabeazana azony, na ny fananahany dia ahitana ny fiovaovan'ny isa AAAR, ka ahitana hoe azo antoka tsara ny angon-drakitra voaray raha mifanakaiky ny fiovana hita amin'ny fampitahana. Raha ngezabe ny fiovana eo amin'ny karazana fikambanana iray fa tsy toy izany kosa ny an'ny karazana fikambanana hafa, dia izay angon-drakitra voaray avy amin'ny ankamaroan'ny mpamaly no jerena. Raha ambany kokoa, ohatra, ny fomba fijerin'ny mpamaly avy amin'ny fikambanana iraisam-pirenena ny fandraisana andraikitra nefa tsy toy izany ny fahitan'ny mpamaly avy amin'ny fikambanana am-panjakana, na ao amin'ny sehatra tsy miankina na any amin'ny ONG, dia tokony homarihina izany.

Misy an'ireo safidy hafa fanaovana sivana ireo ao amin'ny pejin'ny zana-tsehatra sy ny fandinihana manokana.

Zana-tsehatra

Tsindrio ny zana-tsehatra mba hahitana ny isany Ny fitsinjarana sehatra manokana AAAR dia mampiseho ny fomba hikajiana ny isa ankapobeny ary manampy amin'ny fahazoana ny fiovaovana ao anaty zana-tsehatra. Ahitana ny lafy tsara sy ny fahalemena ary izay tokony hohatsaraina/hovana izany fitsinjarana izany. Anisan'ny AAAR voaresaka ao amin'ny pejy manazava ny HPHC ireo zana-tsehatra ireo.

Tsindrio ny Hijery tsipiriany eo amin'ny zana-tsehatra tsirairay. Aseho isaky ny zana-tsehatra ny isa fanondroana. Ny fitsinjarana ny isa isaky ny zana-tsehatra dia manampy amin'ny fijerena ny fiovaovana misy ao anatin'ny fanondroan'ny zana-tsehatra sy amin'ny fijerena an'izay fanondroana mila jerena akaiky mba hanatsara ny isany.

Image
Pikantsary subdomain

Fampitahana Firenena

Raha hijery fampitahana amin'ny ankapobeny na fampitahana isa AAAR isaky ny firenena, dia tsindrio ilay hoe Fampitahana firenena Fidio ny hoe firenena rehetra na fidio eo amin'ny lisitra izay firenena hampitahaina ka ampiasao ny CTRL.

Image
Pikantsary fampitahana firenena

Rehefa manindry ny rohy eo amin'ny Firenena ianao dia hotsinjaraina iny fanondroana iny arakaraka izay fikambanana mamaly araka ny hita eo amin'ny pejy eo ambany.

Image
Pikantsary momba ny fandaminana

Fanadihadiana manokana

Mbola azo zaraina arakaraka ny fanadihadiana manokana koa ny sehatra AAAR, ka ny dingana mikasika ny foto-kevitra mahaliana no ifantohana na ny salanisa no ampiasaina mba hampitahana ny isa ankapoben'ny HPHC sy ny isa azon'ny sehatra AAAR.

Isa miompana amin'ny dingana manokana mikasika ny foto-kevitra mahaliana

Satria ny fitaovan'ny HPHC misy dingana maro be momba ny rafi-pitsaboana, mijery endriny samihafa amin'ny rafi-pitsaboana, dia azo sokajiana isaky ny foto-kevitra ireo fomba fiasa sy fahaiza-manao ao anatin'ny fizarana AAAR. Ireo sokajy fanampiny ireo dia kalitao, hitsiny, fiatrehana olana, fampifanarahana ny atao amin'ny zava-misy, fiasan'ny rafi-pitsaboana, asan'ny mpandray anjara hafa (seha-panjakana sy sehatra tsy miankina, ONG/OSC, vondrom-piarahamonina), tinady, famatsiana, sns... Ahafahana mamaritra ireo sokajy fanampiny ireo hoe endriny inona amin'ny rafi-pitsaboana no miasa tsara ary endriny inona no mila fanatsarana.

Dingana arahina mikasika ny kalitao

Image
Mampiseho kisarisary misy angona demo ho an'ny fizotran'ny kalitao

Sady dingana ny kalitao no vokatra avy amin'ny fitsaboana. Mba hitohy ny fanatsarana ny kalitao, dia betsaka ny dingana apetraky ny rafitra, anisan'izany ny fampiofanana ny mpiasan'ny fahasalamana mba hanatsarany ny fahaizany, ny fanomezana fahazoan-dalana ho an'ny fikambanana na toerana mpanome fampiofanana mba hahafahana mameno ny fenitra apetraky ny fanjakana, ny fitsipika apetraka mba hanatratrarana ny kalitao tadiavina, ny fampiasana fomba fiasa manatsara kalitao, ny fametrahana fenitra momba ny kalitao tadiavina, ary farany ny fanentanana ny mpanjifa mba hangataka fikarakarana tsara kalitao. Tsinjaraina ao anatin'ny sokajin'ny dingana arahina ho an'ny kalitao ireo dingana ireo, ka jerena amin'izany ny ambaratonga misy ny fiasan'izy ireo.

Dingana arahina ho fanajana ny hitsiny

Image
Sarin'ny angona demo ho an'ny fizotry ny Equity

Ny rafi-pitsaboana mahomby dia manome fitsaboana ho an'ny rehetra, na inona na inona fananahany, fari-piainany, fokony, firazanany, sns... ary miezaka hanena ny tsy fitoviana ara-pahasalamana samihafa eo amin'ny fiaraha-monina . Manana fanondroana roa ijerena ny fanajana ny hitsiny ny HPHC – hitsiny ara-pahasalamana sy ara-pananahana, izay mijery ny ambaratonga misy ny fiasan'ny dingana arahina mba hisian'ny hitsiny; Tafiditra amin'ny hoe hitsiny ara-pahasalamana ny hoe mitovy ve ny fomba itondran'ny rafi-pitsaboana ny olona rehetra, misy ny karazan'olona avy amin'ny vondrona rehetra ve ao amin'ny fitantanana ny tobim-pahasalamana, ary jerena amin'izany koa ny hoe manara-maso an'izay mety ho fiangarana ve ny rafi-pitsaboana. Fomba fijerena ny fanajana ny hitsiny ny fanaraha-maso hoe amporisihina hahaleo tena ve ny vehivavy, ary voalanjalanja tsara ve ny isan'ny vehivavy ao anatin'ny vondron'ny mpiasan'ny fahasalamana.

Dingana arahina mba hiatrehana olana

Image
Sarin'ny angona demo ho an'ny Fizotry ny Resilience

Ny fomba hijerena ny fahaizan'ny rafi-pitsaboana miatrika olana dia ny fijerena ny dingana arahiny mikasika ny fanaraha-maso ny olana miseho, ny fisian'ny fitsaboana vonjimaika, ny fitohizan'ny fitsaboana na eo aza ny krizy, ary ny fisorohana loza amin'ny fitsaboana vonjimaika. Na dia jerena miaraka amin'ny fanondroana mikasika ny tolotra sy ny tinady aza ireo fanondroana ireo, dia tsy ny fahaizana loatra no amantarana ny fahaizana miatrika olana fa ny fifaneraserana amin'ny famatsiana, ny tinady ary zava-misy hafa mifandray amin'izany.

Dingana arahina mba hampifanarahana ny atao amin'ny zava-misy

Image
Sarin'ny angona demo ho an'ny fizotry ny fandraisana andraikitra

Ny endriny tsy ara-pahasalamana momba ny zavatra ilain'ny mpanjifa no tena jerena, sy hoe voasahana tsara ve izany. Anisan'ny fanondroana ampiasaina amin'izany ny fanajana ao anatin'ny fitsaboana, ny fisian'ny fahafahan'ny mpanjifa mitaraina raha manana fitarainana izy, ny fiaraha-miasan'ny mpandray anjara amin'ny fitantanana, ny fisian'ny mpanara-maso ny fanajana ny lalàna izay atokisan'ny mpiasan'ny fahasalamana, ary ny fanomezana antoka ny mpanjifa/mpiasan'ny fahasalamana hoe tsy atahorana ny ainy ary tsy atahorana hiharan'ny herisetra izy.

Dingana arahina mikasika ny fahatokisan'ny mpanjifa

Image
Sarin'ny angona demo ho an'ny fizotry ny fahatokisan'ny mpanjifa

Ilain'ny olona ny matoky ny rafi-pitsaboana, fa raha tsy izany izy tsy hampiasa ny vokatra atolotr'izy ireo sady tsy hanaiky hotsaboina, ary tsy hatoky ny fitsipika sy ny programa apetrak'izy ireo mba hisahanana ny zavatra ilain'izy ireo ara-pahasalamana. Ny fijerena ny fatokisan'ny mpanjifa dia miompana amin'ny hoe manaja ny tsiambaratelon'ny mpanjifa sy manome torohevitra momba ny fahazarana tsara sy ara-pahasalamana ve ny rafi-pitsaboana, ary mitohy ve ny fitsaboana atolony ka matoky ny mpanjifa hoe hisahana an'izay fitsaboana ilainy ny tobim-pahasalamana, tafiditra amin'izany ny fitaterana vonjimaika.

Fandraisana anjaran'ny fiaraha-monina

Image
Sarin'ny angona demo ho an'ny fizotry ny fandraisana anjaran'ny vondrom-piarahamonina

Tena ilaina mba hanatratrarana ny rafi-pitsaboana mahomby ny fandraisana anjaran'ny fiaraha-monina, satria raha tsy manaiky sy matoky ny tolotra omena ny fiaraha-monina, dia tsy hampiasa an'izany mihitsy. Izany dia jerena amin'ny fandraisana anjaran'ny fiaraha-monina amin'ny tinady, fanaraha-maso ny fiasan'ny rafi-pitsaboana sy ny vokatra azony, ary ny fandraisana anjaran'ny fiaraha-monina amin'ny fanentanana mba handray andraikitra, fanovana ny fitondran-tena ary fandraisana anjara amin’ny fitantanana ny tobim-pahasalamana.

Dingana arahin'ny rafi-pitsaboana amin'ny resaka fahasalamana

Image
Sarin'ny angona demo ho an'ny fizotran'ny rafi-pahasalamana

Ny fanatsarana ny rafi-pitsaboana dia aseho matetika amin'ny alalan'ireo anjara asa enin'ny rafi-pitsaboana sy ny fifandraisan'izy ireo. Manara-maso ny anjara asa samihafan'ny rafi-pitsaboana ny fitaovan'ny HPHC, ary mamorona fahafahana mba hijerena ny fifandraisan'izy ireo. Mijery izy io hoe ataon'ny rafi-panazavana misahana ny anjara asa sy ny vokatra ho hitan'ny besinimaro ve ny fanazavana voangony: voarindra tsara ve ny mpiasan'ny fahasalamana, voara-maso tsara ny ve ny fitantanana izany hoe miasa tsara ve ny komity mpitantana sady manana solontena amin'ny ambaratonga rehetran'ny rafi-pitsaboana; ary raha ny momba ny fanafody sy ny namany indray: dinihina mifanaraka amin'ny teknolojia ara-pitsaboana ve ny famatsiana ny entana, ny fiasan'ny vaksiny, tafiditra ve ny vidin'ny akora, ary jerena ao anatin'ny resaka famatsiam-bola koa ve ny fiarovana amin'ny mety ho olana mifandray amin'ny vola. Asehon'ny isa ny ambaratonga ankapobe na manokana misy ny fiasan'ny rafi-pitsaboana.

Dingana arahina mikasika ny tinady

Image
Sarin'ny angona demo ho an'ny fizotran'ny fangatahana

Tena ilaina amin'ny fampitomboana ny fampiasana ny rafi-pitsaboana ny fampirisihina ny olona hitady fitsaboana sy hividy entana. Tsy aseho mazava foana anefa izany. Misy fanondroana roa ampiasaina mba hahitana ny ambaratonga misy ny tinady ao anatin'ny rafi-pitsaboana: ny fampianarana ny olona sy ny fanoroana hevitra ny mpanjifa. Ny isa azo amin'izany dia mampiseho ny ambaratonga misy ny fiasan'ny dingana arahina mba hampianarana ny olona sy hanoroana hevitra ny mpanjifa, izay natao mba hampitomboana ny fahafantaran'ny olona ny fitsaboana azony jifaina sy ny fomba azony angatahana fitsaboana ary ny fomba hahazoany an'izany avy eo.

Dingana arahina mikasika ny tolotra

Image
Sarin'ny angona demo ho an'ny fizotry ny lafiny famatsiana

Ataon'ny rafi-pitsaboana izay hahamora ny fampiasana ny entana sy serivisy atolony. Tafiditra amin'izany ny hoe atao takatry ny fahefa-mividin'ny olona ny fanafody, ny fitaovana ary ny fitsaboana; eo koa ny fanatsarana ny resaka toerana misy ny tobim-pahasalamana, ny fanomezana karazana fitsaboana hafa, ary ny fanomezana antoka fa misy foana ny mpiasa vonona handray ary misy foana izay fanafody na fitaovana tadiavina. Asehon'ny isa amin'izany ny ambaratonga misy ny fiasan'ny dingana arahina mikasika ny tolotra.

Dingana arahina amin'ny fidiran'ny seha-panjakana

Image
Sarin'ny angona demo ho an'ny fizotry ny fandraisana anjara amin'ny sehatra ho an'ny daholobe

Miditra amin'ny rafi-pitsaboana ny seha-panjakana amin'ny lafiny famantsiam-bola, fitantanana ny entana sy ny serivisy, ary fanaraha-maso raha manara-dalàna ny sehatra tsy miankina indrindra any amin'ny firenena ambany na antonony fidiram-bola. Araka izany, dia mitantana sy mamatsy vola ny ampahany lehibe amin'ny rafitra ny seha-panjakana. Na mandray anjara be aza anefa ny seha-panjakana, dia atokana ny fanondroana momba ny anjara asan'ny seha-panjakana amin'ny saram-pitsaboana sy ny servisy maimaim-poana.

Dingana arahina amin'ny fidiran'ny sehatra tsy miankina

Image
Sarin'ny angona demo ho an'ny fizotry ny fandraisana anjara amin'ny sehatra tsy miankina

Ny sehatra tsy miankina dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanaovana politika, famokarana fitaovam-pitsaboana ary fanomezana entana sy serivisy ara-pitsaboana.. Noho izany, dia zava-dehibe ny mahafantatra ny ambaratonga misy azy io eo amin'ny fandraisana anjara sy ny fomba fiasa. Ny anjara asan'ny sehatra tsy miankina dia tombanana amin'ny dingana mifandraika amin'ny fanomezan-toky hoe mandray anjara izy sady fehezin'ny lalàna, ny saran'ny tolotra omena, ny fisian'ny fandraisan'anjaran'ny mpampiasa sy ny fiantohana tsy miankina ary koa ny famatsiam-bola ara-pahasalamana ho an'ny sehatra tsy miankina/mpanome fanampiana.

Dingana arahina mikasika ny fiantohana ara-pahasalamana sy ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra samihafa

Image
Sarin'ny angona demo momba ny fiantohana ara-pahasalamana sy ny fizotran'ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra maro

Ny rafi-pitsaboana dia tafiditra ao anatin'ny rafitra ara-tsosialy sy ara-toe-karena midadasika kokoa, ary manana fifandraisana mavitrika amin'izany satria sady manana fiantraikany amin'izany no mizaka ny fiantraikan'izany. Ny fisian'ny fotodrafitrasa toy ny rano sy ny fidiovana, ny jiro, ny lalana, ny tambajotram-pifandraisana, ary ny fifandraisana amin'ny mpampihatra ny lalàna ho an'ny fiarovana dia misy fiantraikany amin'ny fahombiazan'ny rafi-pitsaboana sy ny fiatrehan'ny rafi-pitsaboana olana. Noho izany, dia manangona fanazavana momba ny fiaraha-miasan'ny rafi-pitsaboana amin'ny sehatra hafa ny HPHC. Asehon'ny isa isan-jato ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra sanihafa sy ny ambaratonga misy ny fiasan'izany.

Fampitahana ao anatin'ny fotoana

Afaka manome fampitahana ao anatin'ny fotoana manerana ny firenena sy isaky ny fikambanana mpangataka koa ny fitaovan'ny HPHC, rehefa mampiasa an'ilay fitaovana imbetsaka ilay fikambanana. Araka izany, dia azo ampiasaina mba hanaraha-maso ny fandrosoana araka ny fandehan'ny fotoana ny fanazavana omen'ilay fitaovana.

Miresahana amin'ny CHISU/Bureau des Systèmes de Santé (OHS), USAID

Afaka mangataka ny CHISU ny fikambanana mpangataka mampiasa an'ilay fitaovana mba hanome azy dikan'ny angon-drakitra manta miaraka amin'ny famantarana ny mpamaly mba hihazonana ny mombamomba azy ireo sy ny valin-teniny ho tsiambaratelo.

Ny CHISU dia hanome fanampiana ara-teknika momba ny fampiasana ny fitaovana sy ny famahana ny olana miseho amin'ny fampiasana azy io.

Natao mora azo sy mora hazavaina ny fijerena ny angon-drakitra. Azo antsoina koa anefa ny CHISU (steve_ollis@jsi.com) sy ny OHS/USAID (aaqil@usaid.gov) mba hanamora ny fanazavana ny valiny azo. Ankoatra an'izany, raha mila fandinihana fanampiny momba ny angon-drakitra HPHC ianao, dia antsoy hanampy ny CHISU sy ny OHS.

Fanazavana Fanampiny A: Kajy famantarana

 

Fanamarihana: Ny kajy eto ambany dia ahitana fari-pitsipika nomena anarana mifototra amin'ny sehatra AAAR (Accountable, Affordable, Accessible, Reliable), ny subdomain ary ny fanontaniana ao anatin'io sehatra io. Ohatra, ny fanontaniana voahodidin'ny sary etsy ambany dia ny @accountable_1__2 ao amin'ny kajikajy satria io no fanontaniana faharoa ao amin'ny sehatra voalohany eo ambanin'ny Accountable Health Care.

Image
Pikantsarin'ny fitaovana HPHC izay nahitana ny fanontaniana faharoa ao amin'ny zana-tohatra voalohany ao amin'ny sehatra Accountable
Anarana
Anarana
Scores amin'ny ankapobeny
Scores amin'ny ankapobeny((((@accountable_1__1 + @accountable_1__2 + @accountable_1__3 + @accountable_1__4 + @accountable_1__5) / 15) * 100 +((@accountable_2__1 + @accountable_2__2 + @accountable_2__3 + @accountable_2__4 + (4-@accountable_2__5)) / 15) * 100 +(((3 - @accountable_3__1) + @accountable_3__2 + @accountable_3__3 + @accountable_3__4 + @accountable_3__5) / 15) * 100 +((@accountable_4__1 + @accountable_4__2 + @accountable_4__3 + (3 -@accountable_4__4) + @accountable_4__5) / 15) * 100 +((@accountable_5__1 + @accountable_5__2 + @accountable_5__3 + (3 -@accountable_5__4) + @accountable_5__5) / 15) * 100 +((@accountable_6__1 + @accountable_6__2 + @accountable_6__3 + (3 - @accountable_6__4) + @accountable_6__5) / 15) * 100) / 6 +(((@accessible_1__1 + @accessible_1__2 + @accessible_1__3 + @accessible_1__4 + @accessible_1__5) / 15) * 100 +((@accessible_2__1 + @accessible_2__2 + @accessible_2__3 + @accessible_2__4 + @accessible_2__5) / 15) * 100 +((@accessible_3__1 + @accessible_3__2 + @accessible_3__3 + @accessible_3__4 + @accessible_3__5) / 15) * 100 +((@accessible_4__1 + @accessible_4__2 + @accessible_4__3 + @accessible_4__4 + @accessible_4__5) / 15) * 100 +((@accessible_5__1 + @accessible_5__2 + @accessible_5__3 + @accessible_5__4 + @accessible_5__5) / 15) * 100 +((@accessible_6__1 + @accessible_6__2 + @accessible_6__3 + @accessible_6__4 + @accessible_6__5) / 15) * 100) / 6 +(((@affordable_1__1 + @affordable_1__2 + @affordable_1__3 + (3 - @affordable_1__4) + (3 - @affordable_1__5)) / 15) * 100 +(((3 - @affordable_2__1) + (3 - @affordable_2__2) + (3 - @affordable_2__3) + (3 - @affordable_2__4) + (3 - @affordable_2__5)) / 15) * 100 +((@affordable_3__1 + @affordable_3__2 + @affordable_3__3 + @affordable_3__4 + @affordable_3__5) / 15) * 100 +((@affordable_4__1 + @affordable_4__2 + @affordable_4__3 + @affordable_4__4 + @affordable_4__5) / 15) * 100 +((@affordable_5__1 + @affordable_5__2 + (3 - @affordable_5__3) + @affordable_5__4 + @affordable_5__5) / 15) * 100) / 5 +(((@reliable_1__1 + @reliable_1__2 + @reliable_1__3 + (3 - @reliable_1__4) + @reliable_1__5) / 15) * 100 +((@reliable_2__1 + @reliable_2__2 + @reliable_2__3 + @reliable_2__4 + @reliable_2__5) / 15) * 100 +((@reliable_3__1 + @reliable_3__2 + @reliable_3__3 + @reliable_3__4 + @reliable_3__5) / 15) * 100 +((@reliable_4__1 + @reliable_4__2 + @reliable_4__3 + @reliable_4__4 + @reliable_4__5) / 15) * 100 +((@reliable_5__1 + @reliable_5__2 + @reliable_5__3 + @reliable_5__4 + @reliable_5__5) / 15) * 100 +((@reliable_6__1 + @reliable_6__2 + @reliable_6__3 + @reliable_6__4 + @reliable_6__5) / 15) * 100 +((@reliable_7__1 + @reliable_7__2 + @reliable_7__3 + @reliable_7__4 + @reliable_7__5) / 15) * 100) / 7) / 4
Score Tamberin'andraikitra(((@accountable_1__1 + @accountable_1__2 + @accountable_1__3 + @accountable_1__4 + @accountable_1__5) / 15) * 100 + ((@accountable_2__1 + @accountable_2__2 + @accountable_2__3 + @accountable_2__4 + (3 -@accountable_2__5)) / 15) * 100 +(((3 - @accountable_3__1) + @accountable_3__2 + @accountable_3__3 + @accountable_3__4 + @accountable_3__5) / 15) * 100 +((@accountable_4__1 + @accountable_4__2 + @accountable_4__3 + (3 -@accountable_4__4) + @accountable_4__5) / 15) * 100 +((@accountable_5__1 + @accountable_5__2 + @accountable_5__3 + (3 -@accountable_5__4) + @accountable_5__5) / 15) * 100 + ((@accountable_6__1 + @accountable_6__2 + @accountable_6__3 + (3 - @accountable_6__4) + @accountable_6__5) / 15) * 100) / 6
Score mora vidy(((@affordable_1__1 + @affordable_1__2 + @affordable_1__3 + (3 - @affordable_1__4) + (3 - @affordable_1__5)) / 15) * 100 + (((3 - @affordable_2__1) + (3 - @affordable_2__2) + (3 - @affordable_2__3) + (3 - @affordable_2__4) + (3 - @affordable_2__5)) / 15) * 100 +((@affordable_3__1 + @affordable_3__2 + @affordable_3__3 + @affordable_3__4 + @affordable_3__5) / 15) * 100 +((@affordable_4__1 + @affordable_4__2 + @affordable_4__3 + @affordable_4__4 + @affordable_4__5) / 15) * 100 +((@affordable_5__1 + @affordable_5__2 + (3 - @affordable_5__3) + @affordable_5__4 + @affordable_5__5) / 15) * 100) / 5
Score azo idirana(((@accessible_1__1 + @accessible_1__2 + @accessible_1__3 + @accessible_1__4 + @accessible_1__5) / 15) * 100 +((@accessible_2__1 + @accessible_2__2 + @accessible_2__3 + @accessible_2__4 + @accessible_2__5) / 15) * 100 +((@accessible_3__1 + @accessible_3__2 + @accessible_3__3 + @accessible_3__4 + @accessible_3__5) / 15) * 100 +((@accessible_4__1 + @accessible_4__2 + @accessible_4__3 + @accessible_4__4 + @accessible_4__5) / 15) * 100 +((@accessible_5__1 + @accessible_5__2 + @accessible_5__3 + @accessible_5__4 + @accessible_5__5) / 15) * 100 +((@accessible_6__1 + @accessible_6__2 + @accessible_6__3 + @accessible_6__4 + @accessible_6__5) / 15) * 100) / 6
Score azo itokisana(((@reliable_1__1 + @reliable_1__2 + @reliable_1__3 + (3 - @reliable_1__4) + @reliable_1__5) / 15) * 100 +((@reliable_2__1 + @reliable_2__2 + @reliable_2__3 + @reliable_2__4 + @reliable_2__5) / 15) * 100 +((@reliable_3__1 + @reliable_3__2 + @reliable_3__3 + @reliable_3__4 + @reliable_3__5) / 15) * 100 +((@reliable_4__1 + @reliable_4__2 + @reliable_4__3 + @reliable_4__4 + @reliable_4__5) / 15) * 100 +((@reliable_5__1 + @reliable_5__2 + @reliable_5__3 + @reliable_5__4 + @reliable_5__5) / 15) * 100 +((@reliable_6__1 + @reliable_6__2 + @reliable_6__3 + @reliable_6__4 + @reliable_6__5) / 15) * 100 +((@reliable_7__1 + @reliable_7__2 + @reliable_7__3 + @reliable_7__4 + @reliable_7__5) / 15) * 100) / 7
Scores subdomain
Tompon 'andraikitra 1((@accountable_1__1 + @accountable_1__2 + @accountable_1__3 + @accountable_1__4 + @accountable_1__5) / 15) * 100
Tompon 'andraikitra 1.1@accountable_1__1 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 1.2@accountable_1__2 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 1.3@accountable_1__3 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 1.4@accountable_1__4 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 1.5@accountable_1__5 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 2((@accountable_2__1 + @accountable_2__2 + @accountable_2__3 + @accountable_2__4 + (3 -@accountable_2__5)) / 15) * 100
Tompon 'andraikitra 2.1@accountable_2__1 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 2.2@accountable_2__2 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 2.3@accountable_2__3 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 2.4@accountable_2__4 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 2.5(3 - @accountable_2__5) / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 3(((3 - @accountable_3__1) + @accountable_3__2 + @accountable_3__3 + @accountable_3__4 + @accountable_3__5) / 15) * 100
Tompon 'andraikitra 3.1(3 - @accountable_3__1) / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 3.2@accountable_3__2 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 3.3@accountable_3__3 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 3.4@accountable_3__4 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 3.5@accountable_3__5 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 4((@accountable_4__1 + @accountable_4__2 + @accountable_4__3 + (3 -@accountable_4__4) + @accountable_4__5) / 15) * 100
Tompon 'andraikitra 4.1@accountable_4__1 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 4.2@accountable_4__2 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 4.3@accountable_4__3 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 4.4(3 - @accountable_4__4) / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 4.5@accountable_4__5 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 5((@accountable_5__1 + @accountable_5__2 + @accountable_5__3 + (3 -@accountable_5__4) + @accountable_5__5) / 15) * 100
Tompon 'andraikitra 5.1@accountable_5__1 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 5.2@accountable_5__2 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 5.3@accountable_5__3 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 5.4(3 - @accountable_5__4) / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 5.5@accountable_5__5 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 6((@accountable_6__1 + @accountable_6__2 + @accountable_6__3 + (3 - @accountable_6__4) + @accountable_6__5) / 15) * 100
Tompon 'andraikitra 6.1@accountable_6__1 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 6.2@accountable_6__2 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 6.3@accountable_6__3 / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 6.4(3 - @accountable_6__4) / 3 * 100
Tompon 'andraikitra 6.5@accountable_6__5 / 3 * 100
Takatry 1((@affordable_1__1 + @affordable_1__2 + @affordable_1__3 + (3 - @affordable_1__4) + (3 - @affordable_1__5)) / 15) * 1000
Takatry 1.1@affordable_1__1 / 3 * 100
Takatry 1.2@affordable_1__2 / 3 * 100
Takatry 1.3@affordable_1__3 / 3 * 100
Takatry 1.4(3 - @affordable_1__4) / 3 * 100
Takatry 1.5(3 - @affordable_1__5) / 3 * 100
Takatry 2(((3 - @affordable_2__1) + (3 - @affordable_2__2) + (3 - @affordable_2__3) + (3 - @affordable_2__4) + (3 - @affordable_2__5)) / 15) * 100
Takatry 2.1(3 - @affordable_2__1) / 3 * 100
Takatry 2.2(3 - @affordable_2__2) / 3 * 100
Takatry 2.3(3 - @affordable_2__3) / 3 * 100
Takatry 2.4(3 - @affordable_2__4) / 3 * 100
Takatry 2.5(3 - @affordable_2__5) / 3 * 100
Takatry 3((@affordable_3__1 + @affordable_3__2 + @affordable_3__3 + @affordable_3__4 + @affordable_3__5) / 15) * 100
Takatry 3.1@affordable_3__1 / 3 * 100
Takatry 3.2@affordable_3__2 / 3 * 100
Takatry 3.3@affordable_3__3 / 3 * 100
Takatry 3.4@affordable_3__4 / 3 * 100
Takatry 3.5@affordable_3__5 / 3 * 100
Takatry 4((@affordable_4__1 + @affordable_4__2 + @affordable_4__3 + @affordable_4__4 + @affordable_4__5) / 15) * 100
Takatry 4.1@affordable_4__1 / 3 * 100
Takatry 4.2@affordable_4__2 / 3 * 100
Takatry 4.3@affordable_4__3 / 3 * 100
Takatry 4.4@affordable_4__4 / 3 * 100
Takatry 4.5@affordable_4__5 / 3 * 100
Takatry 5((@affordable_5__1 + @affordable_5__2 + (3 - @affordable_5__3) + @affordable_5__4 + @affordable_5__5) / 15) * 100
Takatry 5.1@affordable_5__1 / 3 * 100
Takatry 5.2@affordable_5__2 / 3 * 100
Takatry 5.3(3 - @affordable_5__3) / 3 * 100
Takatry 5.4@affordable_5__4 / 3 * 100
Takatry 5.5@affordable_5__5 / 3 * 100
Azo idirana 1((@accessible_1__1 + @accessible_1__2 + @accessible_1__3 + @accessible_1__4 + @accessible_1__5) / 15) * 100 
Azo idirana 1.1@accessible_1__1 / 3 * 100
Azo idirana 1.2@accessible_1__2 / 3 * 100
Azo idirana 1.3@accessible_1__3 / 3 * 100
Azo idirana 1.4@accessible_1__4 / 3 * 100
Azo idirana 1.5@accessible_1__5 / 3 * 100
Azo idirana 2((@accessible_2__1 + @accessible_2__2 + @accessible_2__3 + @accessible_2__4 + @accessible_2__5) / 15) * 100
Azo idirana 2.1@accessible_2__1 / 3 * 100
Azo idirana 2.2@accessible_2__2 / 3 * 100
Azo idirana 2.3@accessible_2__3 / 3 * 100
Azo idirana 2.4@accessible_2__4 / 3 * 100
Azo idirana 2.5@accessible_2__5 / 3 * 100
Azo idirana 3((@accessible_3__1 + @accessible_3__2 + @accessible_3__3 + @accessible_3__4 + @accessible_3__5) / 15) * 100
Azo idirana 3.1@accessible_3__1 / 3 * 100
Azo idirana 3.2@accessible_3__2 / 3 * 100
Azo idirana 3.3@accessible_3__3 / 3 * 100
Azo idirana 3.4@accessible_3__4 / 3 * 100
Azo idirana 3.5@accessible_3__5 / 3 * 100
Azo idirana 4((@accessible_4__1 + @accessible_4__2 + @accessible_4__3 + @accessible_4__4 + @accessible_4__5) / 15) * 100
Azo idirana 4.1@accessible_4__1 / 3 * 100
Azo idirana 4.2@accessible_4__2 / 3 * 100
Azo idirana 4.3@accessible_4__3 / 3 * 100
Azo idirana 4.4@accessible_4__4 / 3 * 100
Azo idirana 4.5@accessible_4__5 / 3 * 100
Azo idirana 5((@accessible_5__1 + @accessible_5__2 + @accessible_5__3 + @accessible_5__4 + @accessible_5__5) / 15) * 100
Azo idirana 5.1@accessible_5__1 / 3 * 100
Azo idirana 5.2@accessible_5__2 / 3 * 100
Azo idirana 5.3@accessible_5__3 / 3 * 100
Azo idirana 5.4@accessible_5__4 / 3 * 100
Azo idirana 5.5@accessible_5__5 / 3 * 100
Azo idirana 6((@accessible_6__1 + @accessible_6__2 + @accessible_6__3 + @accessible_6__4 + @accessible_6__5) / 15) * 100
Azo idirana 6.1@accessible_6__1 / 3 * 100
Azo idirana 6.2@accessible_6__2 / 3 * 100
Azo idirana 6.3@accessible_6__3 / 3 * 100
Azo idirana 6.4@accessible_6__4 / 3 * 100
Azo idirana 6.5@accessible_6__5 / 3 * 100
Azo antoka 1((@reliable_1__1 + @reliable_1__2 + @reliable_1__3 + (3 - @reliable_1__4) + @reliable_1__5) / 15) * 100
Azo antoka 1.1@reliable_1__1 / 3 * 100
Azo antoka 1.2@reliable_1__2 / 3 * 100
Azo antoka 1.3@reliable_1__3 / 3 * 100
Azo antoka 1.4(3 - @reliable_1__4) / 3 * 100
Azo antoka 1.5@reliable_1__5 / 3 * 100
Azo antoka 2((@reliable_2__1 + @reliable_2__2 + @reliable_2__3 + @reliable_2__4 + @reliable_2__5) / 15) * 100
Azo antoka 2.1@reliable_2__1 / 3 * 100
Azo antoka 2.2@reliable_2__2 / 3 * 100
Azo antoka 2.3@reliable_2__3 / 3 * 100
Azo antoka 2.4@reliable_2__4 / 3 * 100
Azo antoka 2.5@reliable_2__5 / 3 * 100
Azo antoka 3((@reliable_3__1 + @reliable_3__2 + @reliable_3__3 + @reliable_3__4 + @reliable_3__5) / 15) * 100
Azo antoka 3.1@reliable_3__1 / 3 * 100
Azo antoka 3.2@reliable_3__2 / 3 * 100
Azo antoka 3.3@reliable_3__3 / 3 * 100
Azo antoka 3.4@reliable_3__4 / 3 * 100
Azo antoka 3.5@reliable_3__5 / 3 * 100
Azo antoka 4((@reliable_4__1 + @reliable_4__2 + @reliable_4__3 + @reliable_4__4 + @reliable_4__5) / 15) * 100
Azo antoka 4.1@reliable_4__1 / 3 * 100
Azo antoka 4.2@reliable_4__2 / 3 * 100
Azo antoka 4.3@reliable_4__3 / 3 * 100
Azo antoka 4.4@reliable_4__4 / 3 * 100
Azo antoka 4.5@reliable_4__5 / 3 * 100
Azo antoka 5((@reliable_5__1 + @reliable_5__2 + @reliable_5__3 + @reliable_5__4 + @reliable_5__5) / 15) * 100
Azo antoka 5.1@reliable_5__1 / 3 * 100
Azo antoka 5.2@reliable_5__2 / 3 * 100
Azo antoka 5.3@reliable_5__3 / 3 * 100
Azo antoka 5.4@reliable_5__4 / 3 * 100
Azo antoka 5.5@reliable_5__5 / 3 * 100
Azo antoka 6((@reliable_6__1 + @reliable_6__2 + @reliable_6__3 + @reliable_6__4 + @reliable_6__5) / 15) * 100
Azo antoka 6.1@reliable_6__1 / 3 * 100
Azo antoka 6.2@reliable_6__2 / 3 * 100
Azo antoka 6.3@reliable_6__3 / 3 * 100
Azo antoka 6.4@reliable_6__4 / 3 * 100
Azo antoka 6.5@reliable_6__5 / 3 * 100
Azo antoka 7((@reliable_7__1 + @reliable_7__2 + @reliable_7__3 + @reliable_7__4 + @reliable_7__5) / 15) * 100
Azo antoka 7.1@reliable_7__1 / 3 * 100
Azo antoka 7.2@reliable_7__2 / 3 * 100
Azo antoka 7.3@reliable_7__3 / 3 * 100
Azo antoka 7.4@reliable_7__4 / 3 * 100
Azo antoka 7.5@reliable_7__5 / 3 * 100
Fanadihadiana manokana
Ny kalitao ankapobeny((@accountable_5__1 + @accountable_5__2 + @accountable_5__3 + (3-@accountable_5__4) + @accountable_5__1 + @reliable_2__1 + @reliable_2__3+ @reliable_3__1 + @reliable_3__2 + @reliable_3__3 + @reliable_3__5 + @reliable_4__1 + @reliable_4__2 + @reliable_4__3 + @reliable_4__4 + @reliable_4__5 + @accessible_3__1 + @accessible_3__2 + @accessible_3__3  + @accessible_3__4 + @accessible_3__5) / 63) * 100
Ny kalitaon'ny fitsipika((@accountable_5__1 + @accountable_5__2 + @accountable_5__3 + @accountable_5__4 + @accountable_5__5)/15)*100
Fahaizana mpiasa ara-pahasalamana((@reliable_2__1 + @reliable_2__3 + @reliable_2__4 + @reliable_2__5)/12)*100
Ny kalitaon'ny accreditation((@reliable_3__1 + @reliable_3__2 + @reliable_3__3 + @reliable_3__4 + @reliable_3__5)/15)*100
Ny kalitaon'ny entana((@reliable_4__1 + @reliable_4__2 + @reliable_4__3 + @reliable_4__4 + @reliable_4__5)/15)*100
Fenitra kalitao((@accessible_3__1 + @accessible_3__2 + @accessible_3__3 + @accessible_3__4 + @accessible_3__5)/15)*100
Fomba fanatsarana ny kalitao((@accessible_3__1 + @accessible_3__2 + @accessible_3__3)/9)*100
Ny kalitaon'ny fitakiana ny fiaraha-monina((@accessible_3__4 + @accessible_3__5)/6)*100
Genaral Equity((((@accessible_6__2 + @accessible_6__5)/6)*100) +(((@accessible_6__1 + @accessible_6__3 + @accessible_6__4)/9)*100))/2
Ny fitovian'ny lahy sy ny vavy eo amin'ny mpiasa ara-pahasalamana((@accessible_6__2 + @accessible_6__5)/6)*100
Fahasalamana ara-pahasalamana((@accessible_6__1 + @accessible_6__3 + @accessible_6__4)/9)*100
Faharetana ankapobeny(((((3-@reliable_1__4) + @reliable_1__5 + @reliable_5__4+ @accessible_5__5 + @accessible_4__3)/15)*100)+(((@accessible_4__1 + @accessible_4__2 + @accessible_4__3 + @accessible_4__4 + @accessible_4__5 )/15)*100)+(((@reliable_7__1 + @reliable_7__2 + @reliable_7__3 + @reliable_7__4 + @reliable_7__5 )/15)*100)+(((@reliable_5__1 + @reliable_5__3 + @reliable_5__5)/9)*100))/4
Fiarovana amin'ny vonjy taitra((@reliable_5__1 + @reliable_5__3 + @reliable_5__5)/9)*100
Fitohizan'ny fikarakarana ao anatin'ny krizy((@reliable_7__1 + @reliable_7__2 + @reliable_7__3 + @reliable_7__4 + @reliable_7__5 )/15)*100
Fitsaboana vonjy taitra((@accessible_4__1 + @accessible_4__2 + @accessible_4__3 + @accessible_4__4 + @accessible_4__5 )/15)*100
Fanaraha-maso(((3-@reliable_1__4) + @reliable_1__5 + @reliable_5__4+ @accessible_5__5 + @accessible_4__3)/15)*100
Fihetseham-po amin'ny ankapobeny(((@accountable_1__1 + @accountable_1__2 + @accountable_1__3 + @accountable_1__4 + @accountable_1__5)/15)*100+((@accountable_6__1 + @accountable_6__2 + @accountable_6__3+(3-@accountable_6__4) + @accountable_6__5)/15)*100+((@affordable_1__1 + @affordable_1__2 + @affordable_1__3+(3-@affordable_1__4)+(3-@affordable_1__5))/15)*100+((@accessible_6__1 + @accessible_6__2 + @accessible_6__3 + @accessible_6__4 + @accessible_6__5)/15)*100+((@reliable_2__1 + @reliable_2__2 + @reliable_5__1 + @reliable_5__2)/12)*100)/5
Fiaraha-miasa manara-maso ny mpandray anjara((@accountable_1__1 + @accountable_1__2 + @accountable_1__3 + @accountable_1__4 + @accountable_1__5)/15)*100
Recourse Options((@accountable_6__1 + @accountable_6__2 + @accountable_6__3+(3-@accountable_6__4) + @accountable_6__5)/15)*100
Fiarovana ara-bola((@affordable_1__1 + @affordable_1__2 + @affordable_1__3+(3-@affordable_1__4)+(3-@affordable_1__5))/15)*100
Fikarakarana fanajana((@accessible_6__1 + @accessible_6__2 + @accessible_6__3 + @accessible_6__4 + @accessible_6__5)/15)*100
Fiarovana sy Fitsipika((@reliable_2__1 + @reliable_2__2 + @reliable_5__1 + @reliable_5__2)/12)*100
Ny fahatokisan'ny mpanjifa amin'ny ankapobeny((((@accountable_2__1 + @accountable_2__2 + @accountable_2__3 + @accountable_2__4+(3-@accountable_2__5))/15)*100)+(((@accountable_4__1 + @accountable_4__2 + @accountable_4__3)/9)*100)+(((@accessible_4__1 + @accessible_4__2 + @accessible_4__3)/9)*100)+(((@reliable_6__1 + @reliable_6__2 + @reliable_6__3 + @reliable_6__4 + @reliable_6__5)/15)*100))/4
Fiarovana manokana amin'ny mpanjifa((@accountable_2__1 + @accountable_2__2 + @accountable_2__3 + @accountable_2__4+(3-@accountable_2__5))/15)*100
Fitondran'ny mpanjifa sy ny vokany((@accountable_4__1 + @accountable_4__2 + @accountable_4__3)/9)*100
Fitaterana vonjy taitra((@accessible_4__1 + @accessible_4__2 + @accessible_4__3)/9)*100
Miantehitra amin'ny andrim-panjakana momba ny fahasalamana((@reliable_6__1 + @reliable_6__2 + @reliable_6__3 + @reliable_6__4 + @reliable_6__5)/15)*100
Fandraisana anjara amin'ny ankapobeny(((@accountable_1__1 + @accountable_1__2 + @accountable_1__3)/9)*100+((@accessible_4__4 + @accessible_5__3 + @accessible_6__3 + @reliable_3__4)/12)*100)/2 
Fanaraha-maso ny fiaraha-monina((@accountable_1__1 + @accountable_1__2 + @accountable_1__3)/9)*100
Fandraisana anjaran'ny fiaraha-monina((@accessible_4__4 + @accessible_5__3 + @accessible_6__3 + @reliable_3__4)/12)*100
Famoronana fitakiana ankapobeny((((@accessible_1__2 + @accessible_5__1 + @accessible_5__2 + @accessible_5__3)/12)*100)+(((@accountable_4__1 + @accountable_4__2)/6)*100))/2
Fampianarana((@accessible_1__2 + @accessible_5__1 + @accessible_5__2 + @accessible_5__3)/12)*100
Counselling((@accountable_4__1 + @accountable_4__2)/6)*100
Herin'ny lafiny famatsiana amin'ny ankapobeny(((((3-@affordable_2__3) + @affordable_2__4 + @affordable_2__5)/9)*100) + (((@accessible_1__1 + @accessible_1__2 + @accessible_1__3 + @accessible_1__4 + @accessible_1__5)/15)*100) +(((@accessible_2__1 + @accessible_2__2 + @accessible_2__3 + @accessible_2__4 + @accessible_2__5)/15)*100)+(((@accessible_1__3 + @reliable_1__1 + @reliable_1__2)/9)*100))/4
Vidin'ny antonony(((3-@affordable_2__3) + @affordable_2__4 + @affordable_2__5)/9)*100
Fidirana ho an'ny mponina marefo ara-jeografika((@accessible_1__1 + @accessible_1__2 + @accessible_1__3 + @accessible_1__4 + @accessible_1__5)/15)*100
Safidy fikarakarana hafa((@accessible_2__1 + @accessible_2__2 + @accessible_2__3 + @accessible_2__4 + @accessible_2__5)/15)*100
Ny fisian'ny mpiasa sy ny kojakoja((@accessible_1__3 + @reliable_1__1 + @reliable_1__2)/9)*100
Fandraisana anjara amin'ny sehatry ny daholobe amin'ny ankapobeny(((((3-@affordable_2__1)+(3-@affordable_2__4) + @affordable_4__1 + @affordable_4__2 + @affordable_4__3+ @affordable_5__1)/18)*100)+ (((@affordable_1__1 + @affordable_1__4)/6)*100))/2
Andraikitry ny seha-panjakana(((3-@affordable_2__1)+(3-@affordable_2__4) + @affordable_4__1 + @affordable_4__2 + @affordable_4__3+ @affordable_5__1)/18)*100
Famatsiam-bola ho an'ny daholobe((@affordable_1__1 + @affordable_1__4)/6)*100
Fandraisana anjara amin'ny sehatra tsy miankina amin'ny ankapobeny((((@accountable_1__5 + @affordable_1__2+(3-@affordable_2__2) + @affordable_3__1 + @affordable_3__2 + @affordable_3__3)/18)*100)+ (((@affordable_4__4 + @affordable_4__5)/6)*100))/2
Andraikitry ny sehatra tsy miankina((@accountable_1__5 + @affordable_1__2+(3-@affordable_2__2) + @affordable_3__1 + @affordable_3__2 + @affordable_3__3)/18)*100
Famatsiam-bola ara-pahasalamana fanampiny tsy miankina((@affordable_4__4 + @affordable_4__5)/6)*100
v((@affordable_3__1 + @affordable_3__2 + @affordable_3__3 + @affordable_3__4 + @affordable_3__5)/15)*100
Fiaraha-miasa amin'ny sehatra maro((@reliable_1__3 + @reliable_1__5 + @reliable_7__4 + @reliable_7__5)/12)*100
Herin'ny rafitra fampahalalana momba ny fahasalamana(((3-@accountable_3__1) + @accountable_3__2 + @accountable_3__3 + @accountable_3__4 + @accountable_3__5 + @accessible_5__5)/18)*100
Fitantanana ny mpiasa ara-pahasalamana(((3-@accountable_4__4) + @accountable_4__5 + @reliable_1__1)/9)*100
Komitin'ny fitantanana amin'ny ambaratonga samihafa((@accessible_6__3 + @accountable_6__3 + @accountable_1__3)/9)*100
Vidin'ny entana((@affordable_5__1 + @affordable_5__2 + @affordable_5__4 + @affordable_5__5)/12)*100
Logistika/Famatsiana((@reliable_5__3 + @reliable_5__5 + @reliable_1__2)/9)*100
Fitsipika momba ny fanafody((@reliable_4__1 + @reliable_4__2 + @reliable_4__3 + @reliable_4__4 + @reliable_4__5)/15)*100

 

Fanazavana Fanampiny B: Fampiasana ny santionany arakaraka ny toerana misy azy

Fanatanterahana ny échantillonnage de commodité

Mba hahitana ny tombantombana momba ny zavatra mahaliana, izay hahafahana mandray fanapahan-kevitra momba ny fitantanana miaraka amin'ny tahan'ny fahadisoana 10-15%, ny fanazavana voalaza etsy ambany dia naneho fa ny santionany amin'ny habe 30 dia azo antoka fa hanome tombana azo itokisana. Araka ny voamarika amin'ny fampiasana sy ny fandinihana miverimberina amin'ny fanazavana, ny santionany misy mpamaly 8 dia hanao kajy hahazoana tombana azo antoka momba ny zavatra mahaliana. Na izany aza, mba hatokisana bebe kokoa ny valin'ny santionany, dia ampitomboy ny fanehoana ireo vondrona isan-karazany ao anatin'ny population cible. Noho izany, dia manoso-kevitra izahay ny hampidirana vondrona fikambanana efatra farafahakeliny (seha-panjakana, sehatra tsy miankina, ONG/OSC/loham-piarahamonina, ary fikambanana iraisam-pirenena) ao amin'ny santionany, izay hanome santionany 32 (=4*8).

Soso-kevitra maneho dingana saingy azo amboarina araka ny toe-javatra manokana

Dingana 1: Mamoròna ny lisitr'ireo sehatra ho an'ny daholobe, sehatra tsy miankina, ONG/OSC/loham-piarahamonina, ary fikambanana iraisam-pirenena.

Dingana 2: Mifidiana mpamaly 32 farafahakeliny, fa satria mety tsy hamaly ny 50%, dia tsara kokoa ny mandefa ny fitaovana amin'ny mpamaly 48 mba hamenoana an'izay tsy mamaly

Dingana 3: Mifidiana fikambanana efatra amin'ny kisendrasendra isaky ny vondrona fikambanana – 1) seha-panjakana; 2) sehatra tsy miankina, 3) ONG/OSC/loham-piarahamonina; ary 4) fikambanana iraisam-pirenena. Fikambanana na sampan-draharaham-pitantanana iray ny seha-panjakana/Minisitry ny Fanjakana. Ny fomba iray hanavahana azy dia ny fampiasana sampan-draharaha, biraom-paritra na distrika na andrim-panjakana semi-governemanta toy ny fahefana mifehy ny zava-mahadomelina, tobim-pahasalamana, sns... Ity dingana ity dia hanome fikambanana 16 (4*4). Raha mangataka valiny 3 avy amin'ny fikambanana tsirairay isika dia ho 48 ny fitambaran'ny santionany.

Dingana 4: Asao ny fikambanana voafantina mba handray anjara amin'ny fanadihadiana mamaritra ny tanjona. Izay fikambanana manda tsy handray anjara dia manolo azy ireo amin'ny fikambanana hafa avy amin'ny lisitra efa misy.

Dingana 5: Alefaso any amin'ny lohan'ny fikambanana mandray anjara ny rohy mba hizarany izany amin'ny mpikambana telo ao amin'ny fikambanana amin'ny kisendrasendra; tsara kokoa raha mpikambana iray ao amin'ny ambaratonga afovoany, ary mpikambana roa eo amin'ny sehatra periferika avy amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena. Ampahafantaro ny mpandray anjara fa hiseho ara-potoana ireo angon-drakitra natambatra mba ho azony jerena sy ampiasaina.

Dingana 6: Raha azo atao dia manaova fivoriana miaraka amin'ny mpandray anjara rehetra mba hiresahana momba ny fiantraikan'ny angon-drakitra HPHC sy hametrahana planina momba an'izay hatao.

Dingana 7: Manoro hevitra izahay ny mba hanaraha-maso ny fivoarana ao anatin'ny fotoana mba hamerenana ny fanadihadiana isaky ny tapa-taona fa misy elanelany taona iray.

Antony ampiasana ny échantillonnage de commodité sy ny taille de l'échantillon

Ny échantillonnage de commodité dia fomba fiasa tena ilaina mba hanangonana rakitra rehefa voafetra ny zavatra ananana. Ny échantillonnage de commodité dia fomba fiasa fampiasa be mba hanangonana rakitra azo itokisana sy azo ekena mikasika ny fandrosoana, toy ny indicateurs de Gouvernance de la Banque mondiale1 sy ny Outil d'Evaluation des Politiques et des Institutions Nationales2 na ny Indice de Perception de la Corruption de Transparence Internationale 2020. Azo ampitahaina amin'ny échantillonnage probabiliste ny valiny azo avy amin'ny échantillonnage non-probabiliste rehefa misy solontena daholo ny mpandray anjara rehetra ao amin'ny vondron'olona kendrena ary tsy misy fiantraikany amin'ny valinteny3,4,5,6,7 ny toetra ara-tsosialy sy ara-demôgrafikan'ny mpamaly.

Manome valiny azo itokisana ny échantillonnage de commodité, ary mipoitra ny fanontaniana hoe hoatran'ny ahoana ny haben'ny santionany kely mety mba hahazoana tombana azo antoka sy mitombina? Tarihin'ireto hevitra telo manaraka ireto ny fikajiana ny haben'ny santionany:

Milaza ny toromarika momba ny fitsapana azo ampiasaina8,9,10,11,12 fa mety ho fantatr'ireo mpampiasa 3 ka hatramin'ny 5 voalohany ny olana noho ny fihanaky ny olana, ary tsy mantsaran ny tombana ny fanampiana ny isan'ny mpamaly. Na izany aza diamanome soso-kevitra kosa ny mpanoratra fa azo ovana ny raikipohin'ny haben'ny santionana mba ho azo antoka kokoa ny valiny azo. Toa misy marimaritra iraisana mba ho 90% ny probabilité hahazoana tombana azo antoka.

Resahina ao amin'ny fanazavana momba ny fandinihina miverimberina koa ny fampiasana ny haben'ny santionany kely mba hampihenana ny fiovaovana eo amin'ny marary sy hanatsarana ny herin'ny statistika. Firy no tokony ho isan'ny fandinihina miverimberina mba hampihenana ny fiovaovana eo amin'ny marary raha te hahazo tombana azo itokisana momba ny zavatra kendrena? Nanome raikipohy ny Vickers13 ary nanatsoaka hevitra fa tsy dia misy dikany firy ny fampitomboana ny isan'ny fanombanana ny fitsaboana na ny fitsaboana aorian'ny fandinihana enina na fito.

Ny fitsipika tsotra dia ny hoe santionany >30 no ilaina mba hahazoana valiny azo antoka satria ny 30 na mihoatra dia mirona hamorona fizarana ara-dalàna izay manakaiky ny fizarana z. Nasehon'i Green sy Sandomire14 fa ny fahadisoana azo ekena amin'ny tombantombana avy amin'ny iray tanteraka mankany amin'ny havana iray dia afaka manome vahaolana marina amin'ny olana momba ny haben'ny santionany. Nasehon'izy ireo fa ny tahan'ny fahadisoana + 10% miaraka amin'ny fahatokisana 80% dia azo alaina amin'ny santionany amin'ny habe 30.

Ilay soso-kevitra hoe 30 ny haben'ny santionany soso-kevitra dia azo ampiasaina ihany koa mba hitsapana ny petra-kevitra miaraka amin'ny fizarana t.

Fanazavana Fanampiny C: Fampiasana ny santionany amin'ny alalan'ny mety

Mba hahazoana tombatombana marina momba ny isa azon'ny HPHC miaraka amin'ny haben'ny santionany kely, dia manoro hevitra izahay mba hampiasa ny fiantohana kalitao voatsinjara amin'ny antoko kely (LQAS), izay lasa nalaza tamin'ny fahasalamam-bahoaka tao anatin'ny 20 taona farany15,16,17 . Ny raikipohin'ny haben'ny santionany18 dia tsy mila afa-tsy mpamaly 96 (boriboriana ho 100), izay nofantenana tamin'ny kisendrasendra. Ireo mpamaly ireo dia zaraina mitovy amin'ny faritra na vondrona, izay mety mifototra amin'ny sisin-tany ara-pitantanana na fepetra hafa. Ny fizarana mitovy dia midika hoe misy mpamaly 20 isaky ny faritra. Ny santionany manome antoka ny kalitao (échantillonnage d'assurance qualité) dia endriky ny santionany tsinjaraina4 (échantillonnage stratifié). Noho izany dia azo ampiarahina ireo mpamaly any amin'ny vondrona/faritra ara-pitantanana mba hahazoana santionany amin'ny ankapobeny.

Ny tombony hafa amin'ny LQAS dia ny hoe azo atao ny manombana raha tratra ny tanjona sasany amin'ny haben'ny santionany 19 fotsiny. Ohatra amin'izany ny fitsapana raha mahafeno isa 80% ny fepetra fandraisana andraikitra na mahatratra 70% ny isan'ny fampandehanana kalitao. Ny fampiasana ny LQAS miaraka amin'ny fitaovan'ny HPHC dia afaka mamaly ireo karazana fanontaniana ireo.

Dingana takina amin'ny fampiasana LQAS amin'ny sehatra nasionaly na isam-paritra

1. Zarao ho faritra/vondrona dimy ny firenena na faritra.
2. Misafidiana distrika roa amin'ny kisendrasendra isaky ny faritra ara-pitantanana mba hananana mpamaly 10 isaky ny distrika.
3. Ao anatin'ny distrika tsirairay, dia ampiasao ny lisitr'ireo fikambanana tsy miankina, am-panjakana, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana sy iraisam-pirenena ary loham-piarahamonina mifandraika amin'ny sehatry ny fampandrosoana na ny fahasalamana. Olona roa avy amin'ny vondron'ny fikambanana tsirairay ihany no ilainao mba hahazoana ny valin-teny 10 takina.
4. Alefaso any amin'ny lehiben'ny fikambanana ny rohy mba hizarana ny fitaovan'ny HPHC amin'ny mpiasa. Fanamarihana: : tsy zaraina amin'iza na iza ny valintenin'ny mpiasa ary aseho ny valiny mitambatra mba hihazonana ny tsiambaratelon'ny mpamaly.

Dingana takina amin'ny fampiasana LQAS amin'ny ambaratonga distrika

Mety ho te handinika ny fahombiazan'ny rafi-pahasalamana eo amin'ny sehatry ny distrika ny fikambanana sasany. Mitovy ihany ny dingana afa-tsy ny hoe mila zaraina ho vondrona na faritra dimy ny distrika. Kisendrasendra ny fifantenana ireo mpamaly.

Fitsapana ny zava-bitan'ny isa HPHC

Ireto dingana manaraka ireto dia afaka manampy amin'ny fitsapana ny vinavina mifandraika amin'ny zava-bita na ny fanarahana ny tanjona na ny fenitra napetraka.
1. Mametraha tanjona hotratrarina, ohatra hoe 80% ny fitsaboana mora azo/mora aleha
2. Mampiasà santionany misy mpamaly 19 mba ho azo itokisanana kokoa ny valiny azo
3. Ampiasao ny tabilao19 etsy ambany mba hisafidianana izay isa mifanaraka amin'ny zava-bita kendrena. Ho an'ilay ohatra hoe 80% ny tanjona tratrarina, io isa io dia mifanitsy amin'ny mpamaly 13 farafahakeliny izay mahatsapa fa mora azo/mora aleha ny fitsaboana
4. Alefaso any amin'ireo mpamaly kisendrasendra 19 amin'ireo faritra mahaliana ny rohy mankany amin'ny fitaovana
5. Jereo ny isa famakafakana sy fijerena sary mba hanombanana raha tratra ny tanjona

Image
Slide with title "Optimal LQAS Decision Rules for Sample Sizes of 12-30 and Coverage Benchmarks of 10%-95%. Contact us for details.

Fanontaniana matetika apetraka (FAQs)

Ambaratongam-pamakafakana

Azo ampiasaina amin'ny ambaratongana programa ve ilay fitaovana sa natao hampiasaina amin'ny sehatry ny fanjakana fanjakana na sehatra nasionaly fotsiny?

Tsy natao hampiasaina hanombanana ny fahombiazan'ny programa tokana ao anatin'ny rafi-pitsaboana (ady amin’ny VIH/SIDA, ady amin’ny tazomoka, Fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, sns.) na fikambanana tsirairay ihany ny fitaovana satria mandrefy ny fahombiazan'ny rafi-pitsaboana amin'ny ankapobeny izy.

Ny fitaovana dia azo ampiasaina amin'ny ambaratongana programa/tetikasa ho an'ny programa miasa amin'ny fanamafisana ny rafi-pitsaboana amin'ny alalan'ny famaritana ny faritra tratran'ny tetikasa (zone de chalandise), izay mety ho faritra na distrika. Rehefa ampiasain'ny tetikasa iray ny fitaovana dia tokony hozaraina amin'ireo fikambanana atolotra mifandraika amin'izany (avy amin'ny fanjakana, sehatra tsy miankina, ONG ary fikambanana iraisam-pirenena) any amin'ny faritra tratra.

Misy fetra ve ny isan'ny olona avy amin'ny fikambanana tokana afaka mampiasa an'ilay fitaovana?

Tsy natao hanombanana ny fahombiazan'ny vondrona na fikambanananairay ny fitaovana, fa natao hanombanana ny fahombiazan'ny rafi-pitsaboana. Ny angon-drakitra ao amin'ny fitaovana dia tena matanjaka rehefa misy solontena avy amin'ny olona miasa amin'ny fanjakana, sehatra tsy miankina, ONG ary fikambanana iraisam-pirenena ny mampiasa azy, fa tsy hoe olona maro be avy amin'ny fikambanana iray ihany izay tsy misy solontena avy amin'ny olona miasa amin'ny karazana fikambanana samihafa.

Amin'ny farany, ny valin'ny fitaovana dia tokony hahitana taratra mpamaly avy amin'ny karazana fikambanana samihafa (ara-panjakana, tsy miankina, ONG ary fikambanana iraisam-pirenena).

Mba hahazoana mari-pamantarana marina momba ny zava-bitan'ny firenena, dia manolotra fikambanana 4 farafahakeliny isaky ny karazana fikambanana izahay, miaraka amin'ny mpamaly 2 farafahakeliny isaky ny fikambanana. Amin'ity sehatra santionany ity, ny mpamaly tsirairay ao anatin'ny fikambanana dia tokony ho avy amin'ny faritra na ambaratonga samihafa amin'ny rafitra. Raha tratra io haavon'ny fanehoana io, dia hampitombo ny fahamarinan'ny vokatra amin'ny ankapobeny ny mpamaly fanampiny ao anatin'ny fikambanana. Jereo ny tsipiriany ambony eto amin'ity pejy ity ho an'ny fomba fanaovana santionany naroso ary ny fomba hikajiana ny haben'ny santionany mba hahazoana tombana mazava kokoa.

Famakafakana ny valiny azo

Ahoana no ampiasan'io fitaovana io sy ampidirany an'ireo fitaovana teo aloha novolavolaina mba hanombanana ny rafi-pitsaboana toy ny fitaovana fanombanana ny rafi-pitsaboana nampiasain'ny USAID, izay natomboka tamin'ny taona 2015-2016?

Ny fitaovan'ny HPHC dia mifameno amin'ny fitaovana hafa tohanan'ny USAID. Manana tanjona manokana ny fitaovana tsirairay ary ampiasaina amin'izany tanjona izany. Ny fitaovan'ny HPHC dia ampiasaina voalohany indrindra mba hahatakarana ny zava-bitan'ny rafi-pitsaboana amin'ny ankapobeny, hamantarana fa manana toetra maro ny CMU, ary handrefesana ny tanjaka sy ny fahalemena amin'ny fahafahan'ny rafi-pitsaboana manome fikarakarana ara-pahasalamana.

Ahoana no ampitahana ny vaovao avy amin'ity fitaovana ity (na hatraiza izany no azo ampitahaina) amin'ny loharanom-baovao manara-penitry ny firenena? Na koa miaraka amin'ny fitaovana fandrefesana maneran-tany hafa (oh: PHCPI, HSA sns...)?

Satria be pitsony sy mifamatotra ny rafi-pitsaboana, dia toy izany koa ny fanazavana momba ireo rafi-pitsaboana ireo. Ity fitaovana ity dia natao mba ho famenon'ny loharanom-baovao hafa momba ny rafi-pitsaboana mba hanampy amin'ny fanomezana sary feno kokoa. Satria mora vidy ity fitaovana ity, dia mety ho hita matetika kokoa noho ny fampahalalana avy amin'ny loharano hafa ny angon-drakitra avy amin'izy ity. Ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny fitsabahana amin'ny rafi-pitsaboana sy ny fanatsarana dia tokony hifototra hatrany amin'ny fomba fijery maro ary mandray anjara amin'izany ny loharanom-baovao samihafa.

Raha kely na tsy misy angon-drakitra hita ao amin'ny rafi-pitsaboana ao amin'ny firenena iray, dia ahoana no mety hahasoa ilay fitaovana?

Ny fitaovana dia natao hanampy amin'ny famenoana an'izay banga amin'ny fisian'ny angon-drakitra momba ny rafi-pitsaboana ao amin'ny firenena. Efa notsapaina tany amin'ny firenena ambany sy antonony fidiram-bola raha azo itokisana sy ara-dalàna izy io, ary manamarina izany fa afaka manangona rakitra mifanaraka amin'ny valiny hita avy amin'ny loharanom-baovao hafa momba ny rafi-pitsaboana izy io. Noho izany, dia afaka manome vaovao azo antoka sy mitombina momba ny rafi-pitsaboana any amin'ireo firenena tsy misy loharanom-baovao hafa ny fitaovana . Fanampin'izany, satria mifototra amin'ny fomba fijery ilay fitaovana, dia tsy mila miditra amin'ny angon-drakitra momba ny rafi-pitsaboana ny mpamaly mba hamaliana ireo fanontaniana.

Toa mitongilana ny fanontaniana vitsivitsy voatonona ao amin'ny fitaovana momba ny fahefa-mividy sy ny fahazoana/fandehanana. Hisy fiantraikany amin'ny anekena na tsia ny fampitahana firenena sy faritra samihafa ve izany?

Mitongilana ny fanontaniana rehetra ao amin'ny fitaovana arakaraka ny anangonany fomba fijery momba ny sehatra AAAR. Na izany aza, dia manome tombantombana tsara ireo fomba fijery ireo momba ny fiasan'ny dingana efa misy mifandraika amin'ny fiasan'ny rafi-pitsaboana, ny vokatra toy ny kalitao, ny fitoviana, ny fandraisan'anjaran'ny mpandray anjara sns... Ankoatra an'izany, dia maneho ny tsiny mila vahana ny elanelana eo amin'ny fomba fijerin'ireo mpamaly sy ny tena zava-misy, satria ny fiaraha-monina iray manontolo no tompon'andraikitra amin'ny fanatsarana ny rafi-pitsaboana sy ny fahazoana vokatra tsara kokoa. Raha tsy mitovy ny fomba fijerin'ny vondron'olona samihafa eo amin'ny fiaraha-monina momba ny rafi-pitsaboana, dia mety ho taratra izany hoe misy tsiny ao ary mety mila vahana izany mba hanome izay ilain'ny rehetra ny rafi-pitsaboana.

Fitaovana mandinika kalitao ve izy ity? Azo ampiasaina ve izy ity mba hahitana ny fahasamihafan'ny fomba fijery amin'ny ambaratonga samihafa amin'ny rafi-pitsaboana iray ihany?

Tsia, fitaovana fandrefesana manangona fanazavana ara-kalitao (fomba fijery) mikasika ny fahombiazan'ny rafi-pitsaboana, ny fizotrany ary ny vokatra azony izy ity.

Eny, azo ampiasaina hijerena ny fahasamihafan'ny fomba fijery amin'ny ambaratonga samihafa amin'ny rafi-pahasalamana ny fitaovana. Na izany aza, dia mila manitsy ny haben'ny santionanao ianao mba hamelana ny fampitahana amin'ny ambaratonga samihafa amin'ny rafi-pitsaboana.

Mamela ny mpampiasa azy hampiditra fampahalalana momba ny kalitao amin'ny sehatra tsirairay ve ny fitaovana?

Tsy manome fanazavana ara-kalitao hampiana ilay fitaovana rehefa fenoina.

Ny USAID dia mampirisika an'ireo firenena na fikambanana efa nampiasa an'ilay fitaovana nandraisan'ny mpandray anjara samihafa anjara mba hanasa azy ireo amin'ny fivorian'ny mpandray anjara hahafahana mijery sy manazava ny valiny mba hanapahan-kevitra ny amin'izay tokony hatao hanatsarana ny fanazavana voangona. Eo amin'io dingana io no ahafahana mandinika sy manampy amin'ny famakafakana ny fanazavana momba ny kalitao avy amin'ireo mpandray anjara samihafa.

Rehefa manao fikajiana ny sehatra sy ny isa ankapobeny amin'ny fitaovana ve ianao dia mihevitra hoe mitovy lanja daholo ny singa fototra ho an'ny sehatra nomena sy ireo sehatra efatra? Raha eny, mety ve ny mieritreritra an'izany?

Eny. Mitovy lanja ny zana-singa tsirairay ho an'ny sehatra iray satria heverina ho manan-danja daholo izy rehetra. Amin'izao fotoana izao dia tsy misy porofo mivaingana hahafahana manolotra lanja hafa. Raha vantany vao manana angon-drakitra avy amin'ny firenena samihafa izahay ka manomboka mamantatra an'ireo fanondroana lehibe izany, dia hahitsinay izany amin'ny kajikajy amin'ny hoavy. Na izany aza, dia afaka manao famakafakana manome lanja azy manokana ireo fikambanana izay mangataka angon-drakitra. Ity misy ohatra iray mampiseho hoe raha mampiasa bebe kokoa sy mamakafaka ny angon-drakitra ao amin'ilay fitaovana ianao, dia manampy amin'ny fampivoarana ny fahatakarana ankapobeny ny zavatra ilaina mba hahazoana rafi-pitsaboana mahomby izany.

Hampiasa ny angon-drakitra ve ny USAID sy ny tetikasa CHISU amin'ny famakafakana amin'ny sehatra? Raha eny, ahoana no hampiasana izany angon-drakitra izany?

Ny angon-drakitra (izay tsy ahitana famantarana manokana, satria tsy angonina amin'ny alalan'ny fitaovana) dia azon'ny fikambanana azo itokisana na andrim-panjakana ampiasaina mba hanaovana fanadihadiana fanampiny. Ny tanjonay dia ny hanome fidirana amin'ny banky angona matanjaka momba ny rafi-pitsaboana maneran-tany mba hanatsarana ny fahatakarana momba ny fanamafisana ny rafi-pitsaboana. Izahay koa dia manome malalaka ny fijerena ny ango-drakitra avy hatrany momba ny fironan'ny fahombiazan'ny rafi-pitsaboana sy ny fizotran'ny rafitra ary ny vokatra azo.

Haingana ve ny hahitanao fironana manan-danja amin'ny angon-drakitra?

Ny fijerena ireo fironana manan-danja amin'ny angon-drakitra dia miankina amin-javatra maro ao amin'ny firenena iray, ao anatin'izany ny hoe mampiasa ny fitaovana miaraka amin'ny santionany misolo tena ny vondrona rehetra ao amin'ny firenena (échantillonnage représentatif au niveau national) ve ny fikambanana samihafa. Mamporisika ny firenena/fikambanana tsirairay izahay mba hamorona tsipika fototra ary hampiasa ny fitaovana imbetsaka (isaky ny enim-bolana ka hatramin'ny isan-taona) mba hijerena ny fiovana ao anatin'ny fotoana.

Ny fironana koa dia azo ampiasaina handrefesana ny valin'ny hetsika ara-pahasalamana manokana amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovana aloha sy aorian'ny andrana.

Arakaraka ny ampiasana ny fitaovana sy hamoahana angon-drakitra bebe kokoa, dia manantena izahay fa hianatra bebe kokoa momba ny zavatra andrasana mikasika ny fironana, sy ny hafainganan'ny fanondroana rehefa mihetsika arakaraka ny fotoana na mamaly ny zavatra natao mba hisy fiantraikany amin'ny variables.

Fampielezana

Rahoviana ary amin'ny fomba ahoana no hanapahan'ny tetikasa fanatanterahana iray na hanantenany hampiasa an'ilay fitaovana? Hampiasa izany ve, ohatra, ny tetikasa iray raha mangataka an'izany ny USAID na ny mpamatsy vola hafa?

Afaka manapa-kevitra hampiasa an'ilay fitaovana amin'ny fotoana rehetra ny tetikasa fanatanterahana, fikambanana, mpamatsy vola na sampana hafa. Ny sampan-draharaha rehetra mampiasa ny fitaovana dia tokony hikatsaka ny hahazo solontena midadasika amin'izay mampiasa azy mba handrakotra karazana fikambanana maro. Mikasa ny hanentana mavitrika ny fampiasana azy io amin'ny alalan'ny fomba maro ny USAID. Arakaraka ny maha betsaka ny fikambanana mampiasa an'ilay fitaovana, no haha betsaka kokoa ny fanazavana azo na ao anatin'ny firenena na manerana ny firenena.

Ahoana no ahafahan'ny USAID mahazo mpandray anjara maro be hampiditra sy hampiasa ny angon-drakitra?

Handrisika mpandray anjara isan-karazany amin'ny alalan'ny tambajotra samihafa izahay ho fanairana sy fanentanana ny fampiasana izany any amin'ny sehatra tsy miankina, ONG/OSC ary fikambanana iraisam-pirenena, mba hamenoana ny bankuy angona HPHC. Hamorona angona fototra ho an'ny firenena izany ary ny fampiasana miverimberina dia hanampy amin'ny fijerena ny fironana amin'ny isa HPHC isaky ny firenena ao anatin'ny fotoana.

Miara-miasa amin'ny OMS ve ny USAID amin'ny fampiroboroboana sy fampiasana an'io fitaovana io?

Hiara-hiasa amin'ny fikambanana sy mpamatsy vola iraisam-pirenena, roa tonta ary marolafy rehetra izahay mba hampiroboroboana ny fitaovana. Heverinay fa arakaraka ny maha betsaka ny mpampiasa ny banky angona maneran-tanin'ny HPHC izay manome fanazavana mahasoa ho an'ny drafitra, ny fitantanana ary ny fanaraha-maso, dia hiteraka tinady manokana ihany koa izany.

Fomba fiasa

Mifandraisa amin'ny aaqil@usaid.gov traha hiresaka bebe kokoa ny an-tsipiriany mikasika ny santionany sy ny haben'ny santionany

Ampy ve raha 30 ny haben'ny santionany mba hahafahana manasaraka ny zavatra hita amin'ny fanjakana/tsy miankina, lahy/vavy, sns... araka ny hita tamin'ny vokatra?

Ny tanjona amin'ny fampiasana santionany amin'ny habe 30 dia ny fanombanana ny salanisan'ny fitsaboana mahomby (HPHC) amin'ny ankapobeny sy isa momba ny fandraisana andraikitra, takatry ny fahefa-mividy, mora azo/mora aleha ary azo itokisana.

Mariho fa ny santionany amin'ireo mpamaly 30 avy amin'ny karazana fikambanana efatra dia tsy atao soso-kevitra amin'ny fitadiavana fahasamihafana lehibe amin'ny toetran'ireo namaly, fa mba hampitomboana ny fanehoana ny feo isan-karazany avy amin'ny fanjakana, tsy miankina, ONG ary fikambanana iraisam-pirenena. Tsara kokoa ny mampiasa LQAS miaraka amin'ny santionany 100 (vondrona 5 ary mpamaly kisendrasendra 20 isaky ny vondrona). Jereo ny Fanazavana Fanampiny D (etsy ambony) momba ny santionany LQAS.

Moa ve ny santionany amin'ny habe 30 ho an'ny firenena tokana tsy miankina amin'ny haben'ilay firenena?

Eny, ny santionany amin'ny habe 30 dia ampy na inona na inona haben'ny firenena. Ny santionany amin'ny habe 30 dia faritana amin'ny fampiasana sy ny fanazavana momba ny fandinihana miverimberina izay milaza fa ny santionan'ny valintenin'ny mpamaly 8 na ny fandinihana miverimberina dia mirona amin'ny fizarana ara-dalàna. Na izany aza, dia mitaky vondrona mpamaly isan-karazany ny échantillonnage de commodité toy izany mba hananana fanehoana tsara kokoa kahiarovana amin'ny vokatra mitongilana. Noho izany, dia nanolotra vondrona fikambanana efatra farafahakeliny izahay mba hampidirina ao amin'ny santionany izay hanome santionany 32 (8*4). Jereo ny taratasy misy torolalana raha mila fanazavana fanampiny momba ny santionany sy ny haben'ny santionany.

Firy no tokony ho haben'ny santionany raha te hampitaha faritra 14 amin'ny firenena iray aho?

Mba hahazoana fanombanana sy fampitahana mazava kokoa amin'ny faritra samihafa, dia ny fomba fanombanana santionany LQAS no soso-kevitray. Raiso ho vondrona iray ny faritra, ka midika izany fa hifidy mpamaly 20 amin'ny kisendrasendra eo ambanin'ny vondrona tsirairay ianao. Izany dia hanome santionany misy mpamaly 280 (14*20). Tafiditra ao anatin'ny taratasy misy torolalana ny soso-kevitra hifidianana ireo mpamaly ireo amin'ny kisendrasendra. Jereo ny Fanazavana Fanampiny D (etsy ambony) momba ny santionany LQAS.

Ny mpampiasa tolotra ve sa ny mpanome tolotra sa izy roa no tokony hameno ny fitaovana?

Izy roa. Eo ihany koa ny fandaharan'asa momba ny fahasalamana na ny mpitantana sy ny mpanao planina. Tokony hampiasain'ny mpandray anjara isan-karazany manana fahalalana momba ny rafitra ny fitaovana mba hahazoana fomba fijery sy hevitra samihafa.

Ho azo jerena ivelan'ny Internet ve ilay fitaovana mba hahafahana mitantana azy any amin'ny faritra tsy afaka miditra amin'ny Internet?

Raha toa ka ahitana fikambanana sy mpandray anjara isan-karazany ny santionany, dia manan-kery eo amin'ny sehatra nasionaly (na eo an-toerana) ny vokatra, na dia voafetra ho an'ny mpandray anjara afaka miditra amin'ny Internet aza izany.

Misy programa (application) azo alaina amin'ny tablette ve ilay fitaovana?

Satria mifototra amin'ny tranonkala ilay fitaovana, dia azonao atao ny miditra amin'izy io amin'ny alalan'ny telefaonina na tablette rehefa misy Internet izany, na amin'ny alalan'ny Wi-fi na donnée mobile.

Ahoana no ataon'ny USAID mba hiantohana ny fikojakojana sy hanavaozana ny fitaovana mihoatra ny faharetan'ny tetikasa?

Tsy hifarana ny tetikasa CHISU raha tsy amin’ny taona 2025. Mandritra ny fanatanterahana ny tetikasa, dia manantena ny hanatsara sy hanamafy ny fitaovana ny USAID, ary hiezaka hamantatra ny toerana maharitra ho an'ilay fitaovana ny tetikasa mba ho azo tazonina foana izany na dia rehefa mifarana aza ny tetikasa.