Skip to main content

Fanadihadiana Momba ny Rafi-pitsaboana Mahomby

Any ivelany ianao. Afaka manohy mameno ny taratasy ianao izao ary manolotra izany rehefa miverina an-tserasera.

Asaina ianao handray anjara amin'ny fanadihadiana iray mba hitsarana Rafi-pitsaboana Mahomby. Ny tanjon'ny fampiasana an'ity fitaovana ity dia ny hanome fanazavana momba ny fiasan'ny dingana arahin'ny rafi-pitsaboana sy ny asany ary ny vokatra azony Afaka mandray anjara amin'ity fanadihadiana ity ny olona 18 taona no ho miakatra, izay niasa na nifanerasera tamin'ny rafi-pitsaboana amin'ny fahaiza-manao sasany na amin'ny maha-mpanjifa azy, mba hanana solontena midadasika kokoa avy ao anatiny sy ivelan'ny rafitra. Ankoatra an'izay, dia mila manana fahaizana miteny anglisy na frantsay ny mpandray anjara satria amin'ireo fiteny roa ireo ihany ny fanontaniana. An-tsitrapo ny fandraisana anjara amin'ity fanadihadiana ity.

Raha manaiky hameno an'ity fitaovana ity ianao dia haharitra 50 ka hatramin'ny 75 minitra eo ho eo izany, arakaraka ny hafainganan'ny famakianao. Ny fitaovana dia misy fanontaniana momba ny fiasan'ny dingana arahin'ny rafi-pitsaboana mifandraika amin'ny fikarakarana ara-pahasalamana mandray andraikitra, takatry ny fahefa-mividy, mora azo/mora aleha, ary azo itokisana. Ny fandraisana anjara amin'ity fandalinana ity dia mety tsy hahasoa anao mivantana, fa hanampy antsika hianatra momba ny fahombiazan'ny rafi-pitsaboana ankapobeny, ny fiasan'ny dingana arahin'ny rafitra, ny fiasa ary ny vokatra. Tsy misy valiny marina na diso fa ny fomba fijerinao momba ny fanambarana. Misy fanambarana be dia be voatanisa eo ambanin'ny sehatra mandray andraikitra, takatry ny fahefa-mividy, mora azo/mora aleha, ary azo itokisana. Ny fanambarana dia omena isa amin'ny ambaratongan'ny fiasa 0-3. Ny aotra (0) dia maneho hoe tsy miasa na tsy misy ary ny telo (3) kosa dia maneho hoe miasa amin'ny fotoana rehetra. Safidio, azafady, ny kaody valiny izay maneho ny tena hevitrao.

Ny fanazavana hozarainao aminay, raha mandray anjara amin'ity fandalinana ity ianao, dia hotazonina ho tsiambaratelo tanteraka araka ny takin'ny lalàna. Ny angon-drakitra dia hotehirizina sy ho voaaro ao amin'ny tranokalan'ny CHISU. Rehefa feno ilay fitaovana ka alefanao dia havoakany ny adiresy IP-nao, izay tsy hozaraina amin'iza na iza. Tsy misy fanazavana manokana angonina mba ho famantarana manokana afa-tsy ny fanazavana ankapobeny momba ny karazana fikambanana miasa ho an'ny (fanjakana, sehatra tsy miankina, ONG/OSC, iraisam-pirenena), ny taona niasana, ny fanabeazana azo ary ny fananahana. Ny fanazavana momba ny adiresy IP dia hofoanana aorian'ny hahavitan'ny fanadihadiana, sy hofoanana avy amin'ny angon-drakitra momba ny fanadihadiana raha toa ka mangataka dika mitovy amin'ny angon-drakitra manta ny fikambanana mampiasa ilay fitaovana. Tsy hahita ny valin-teninao ny olona ao amin'ny fikambanana mampiasa an'ity fitaovana ity na hahalala akory hoe nandray anjara tamin'ity fandalinana ity ianao.

Ny voka-pikarohana dia haseho amin'ny endrika famintinana fotsiny mba hihazonana ny tsiambaratelonao. Na dia mitazona ny mombamomba anao ho tsiambaratelo aza ny CHISU, dia mety hisy ihany ny fangalarana angon-drakitra rehefa mandefa fanazavana amin'ny alalan'ny Internet izay tsy voafehin'ny mpanao fanadihadiana. Mariho, azafady: Tsy maintsy 18 taona na mihoatra ianao raha te handray anjara amin'ity fandalinana ity. Raha manana fanontaniana momba ity fandalinana ity ianao dia mifandraisa amin'i Steve Ollis, steve_ollis@jsi.com ary Anwer Aqil, aaqil@usaid.gov

Raha mamita an'ity fanadihadiana ity ianao dia manaiky handray anjara amin'ilay fandalinana.

Momba ny fitsaboana mandray andraikitra

Questions Tsy misy mihitsy Indraindray Matetika Amin'ny fotoana rehetra

Momba ny fitsaboana mora azo/mora aleha

In Momba ny fitsaboana takatry ny fahefa-mividy

Questions Tsy misy mihitsy Indraindray Matetika Amin'ny fotoana rehetra
Questions None Low Medium High
Questions Tsy misy mihitsy Indraindray Matetika Amin'ny fotoana rehetra
Questions <25% 25-49% 50-75% >75%
Questions Tsy misy mihitsy Indraindray Matetika Amin'ny fotoana rehetra

Momba ny fitsaboana azo itokisana

Questions No Low Medium High
Questions Tsy misy mihitsy Indraindray Matetika Amin'ny fotoana rehetra

Fizarana Fahenina - Hafa

Questions Latsaky ny 25% 25-49% 50-74% 75% na mihoatra